KolontsainaSongadim-baovao

BOKY « NY FIANDOHAN’NY MALAGASY » : Notolorana ny boky ireo mpikaroka sy manam-pahaizana niara-niasa tamin’ny Minisitera

Tontosa omaly, tao amin’ny Tahalan’ny fandalinana sy fikarohana, efitrano David Jaomanoro, ao amin’ny Tranombokim-pirenen’i Madagasikara ny fanolorana ny boky « Ny fiandohan’ny Malagasy » tamin’ireo mpikaroka sy manam-pahaizana samihafa nanampy tamin’ny fanatontosana ny angom-pikarohana namoahana ity boky ity. Nanatrika ary nanolotra izany tamin’izy ireo ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Lalatiana Andriatongarivo, notronin’ireo mpiara-miasa aminy eo anivon’ny Minisitera.

Taorian’ny nampahafantarana tamin’ny fomba ofisialy  ny boky “Ny Fiandohan’ny Malagasy” tany Mananjary, izay notarihin’ny Filohan’ny Repoblika, dia manohy ny fizarana izany maimaim-poana amin’ireo ambaratonga isan-tsokajiny tokony hisitraka izany Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina. Nisantarana izany ireo manam-pahaizana sy mpikaroka nifandrimbona tamin’ny fanoratana ny boky, toy ireo mpahay tantara, mpahay fiaraha-monina, mpahay olombelona, mpahay zava-boahary, mpahay foko ara-pirazanana, ireo mpahay tsikera fiteny. Izy ireo no nosafidiana voalohany, hoy ny Minisitra tomponandraikitra satria tany amin’izy ireo avokoa ny nahazoana ny tahirin-kevitra, tahirin-tsary, horonam-peo, ny angom-pikarohana nahafahana nandrafitra ny boky.

Nambaran-dRamatoa Minisitra fa tsy ny Minisitera no nanao ny fikarohana manokana ka namoaka ny boky fa noho ny fiaraha-miasa tamin’ireo mpisehatra ireo no nahafahana namoaka ny vokatra. Hisy ny fiaraha-miasa amin’ireo rantsana isan-tokony ahafahan’ny olon-drehetra misitraka izany boky izany. Isan’ireno ny eny anivon’ny Sekoly isan’ambaratongany.

Maha izy azy ny Malagasy…

Araka ny fanampim-panazavana nentin’ny Minisitra Lalatiana Andriatongarivo omaly, dia tsy vidiana fa maimaimpoana ny boky. Isan’ny Paikady napetraka hahafahan’ny rehetra mijery ny Boky hatreto ny fametrahana azy any amin’ireo Tranomboky eo ambany fitantanan’ny Minisitera any amin’ny Faritra manerana ny Nosy. Eo ihany koa anefa ireo Tranomboky hafa, toy ny tantanan’ny Kaominina ohatra, izay afaka miara-miasa amin’ny Minisitera amin’ny fisitrahana ny boky. Hisy koa ny fiarahamiasa amin’ny Minisitera hafa hahafahana manaparitaka ny Boky eny anivon’ireo lisea eto Madagasikara. Tanjona, hoy ny Minisitra, ny hahafahan’ny Malagasy mahafantatra ny tena maha izy ny Malagasy. Teo aloha tokoa mantsy dia tsy nisy ny Boky fandravonana tahaka izao, fa saika mbola niparitaka be ireo boky miresaka ny tantara rehetra mahakasika ny Malagasy. Izany indrindra no maha zava-dehibe ny namoahana ity boky ity mba ho mora voarain’ny rehetra ny mahakasika izany fiandohan’ny Malagasy izany, araka ny lohatenin’ny Boky.

Nivoitra nandritra ny fihaonana omaly fa tsy ho ela ihany koa dia hatsangana ny Mozea lehibe mikasika ny fiandohan’ny Malagasy, izay haorina eny amin’ny Tanàna vaovao Tanamasoandro.

Fermer