KolontsainaSongadim-baovao

BOKY « SOATOAVINA MALAGASY » : Hamelo-maso ny maha izy ara-kolontsaina malagasy

Sambany teo amin’ny tantaran’ny Minisitera misahana ny Kolontsaina no nisy fandaharanasa miompana amin’ny famokarana boky manasongadina ireo Soatoavina maha malagasy. Niainga tamin’ny fandaharanasa “Volana iray, Soatoavina iray”, noraketin’ny ekipan’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina ankehitriny anatina Boky iray mitondra ny Lohateny hoe: Soatoavina malagasy, ireo soatoavina sivy izay nivoitra tao anatin’ny fandaharanasa. Navoaka tamin’ny fomba ofisialy omaly izany boky izany.

« Ny soatoavina hita taratra tamin’ny tolom-panafahana 1947 », « Ny vary : aina sy kolontsaina », « Ny omby », « Ny teny malagasy : fototry ny firenena », « Ny fady », « Ny hasin’ny voahary », « Ny refy sy ny fatra », « Ny fahaiza-miaina », « Ny soa iombonana », anisan’ireo lohahevitra voaresaka ao anatin’ny Boky “Soatoavina malagasy” vao navoakan’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina ireo. Ireo lohahevitra sivy ireo izay tsikaritra fa miverimberina anatin’ny fiainan’ny Malagasy kanefa mety tsy fantatra fa tena soatoavina manan-danja mamaritra ny fiarahamonina, araka ny nambaran’ny Minisitra Lalatiana Andriatongarivo, nandritra ny fanolorana ny Boky. Izany indrindra, hoy izy, no anton’ny namoahan’ny Minisitera ity boky “Soatoavina malagasy” ity mba hanamafisana ny maha-izy ara-kolontsaina malagasy (Identité culturelle). Ireo soatoavina malagasy sivy ireo no soatoavina andiany voalohany novelabelarina ao anatin’ny boky navoaka omaly Alakamisy 31 Marsa 2022 teny amin’ny Kianjan’Andohalo.

Hanamafy ny maha-izy azy antsika Malagasy

Vokatra teraka avy amin’ny fandaharanasa “Volana iray, Soatoavina iray” novolavolain’ny Minisitera nanomboka ny taona 2021 ity boky ity. Ny fandaharana mandeha isam-bolana ao amin’ny TVM sy ny RNM no nanombohana azy, izay miresaka Soatoavina. Tsara ho fantatra fa anisan’ny tanjona napetraky ny Fitondram-panjakana tamin’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina, ary tafiditra ao anatin’ny fandaharanasany ny hanamafy ny maha-izy azy antsika Malagasy (renforcer l’identité nationale). Izany ihany koa no antony nananganana ny Fitaleavana misahana ny maha-izy ara-kolontsaina eo anivon’ity Minisitera ity. Io fitaleavana io, araka izany, no anisan’ny nitarika ny fanatontosana ny Boky.

Ireo zandry, zanaka no hiantefany…

“Ireo zandry zanaka no hiantefan’ity fampitana kolontsaina amin’ny alalan’ny boky ity satria izy ireo no ho avin’ny firenena, tokony hahalala ny maha-izy antsika”, hoy ny Minisitra nanazava. Araka izany, dia ireo sekoly manodidina an’Andohalo no nanoloran-dRamatoa Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina Ramatoa Lalatiana Rakotondrazafy Andriatongarivo ny boky tamin’ny fomba ofisialy voalohany, tamin’io andron’ny omaly io. Notolorana ny boky ihany koa ny solontenan’ny Akademia Malagasy, ireo tomponandraikitry ny tranomboky isan-karazany sy ny tranombokin’ny Anjerimanontolo. Santatra ihany ireo, raha ny fanambaran’ny Minisitera, fa hoezahina ny hanaparitaka ity boky ity araka izay tratra manerana ny Nosy. Tsy amidy ny boky fa zaraina maimaimpoana, araka ny toromarika.  Ary ho alefa any amin’izay sehatra rehetra ahafahana manaparitaka izany.

Fermer