Songadim-baovaoSosialy
BORIBORINTANY VOALOHANY SY FAHEFATRA: Mpianatra sy tokantrano maherin’ny 7 200 nisitraka fanampiana
Anisan’ny mbola mampitaraina ny isan-tokantrano ankehitriny ny fahalafosan’ny vidim-bary. Manoloana izany dia paikady lavitr’ezaka ampiharin’ny Fitondram-panjakana ny fampitombona ny voka-bary eto an-toerana, hahafahana mamatsy ny filàna eto amin’ny tsena anatiny ka hampihena ny fanafaram-bary. Mifanindran-dalana amin’izany ny fampidinana tsikelikely ny vidim-bary. Mialoha io anefa, atao laharam-pahamehana ny fanampiana ny isan-tokantrano, indrindra ireo tokantrano marefo. Hetsika mifandraika amin’izay fiahiana ara-tsosialy izay indrindra no notanterahana omaly teny amin’ny Kianja Maki Andohatapenaka. Tokantrano maherin’ny 7 200 avy amin’ny boriborintany voalohany sy fahefatra eto Antananarivo renivohitra no nisitraka fanampiana enti-miatrika ny fiainana andavanandro. Fanampiana isan-tokantrano nahitana vary iray gony, siramamy 1kg, sira, menaka 1L, ary savony lava lehibe iray. “Ilaina ny mifampitsinjo sy ny mifanohana. Ao anatin’ny fahsahiranan’ny fiainana no hahafantarana hoe misy mitsinjo ve ianao. Misy Ray aman-dReny ve ianao. Ny valiny dia hoe: izaho dia tsy Filohampirenena fotsiny ihany fa sady namanareo, hitsinjo anareo, ary hifanampy aminareo mandra-kariva”, hoy ny nambaran’ny Filoha Andry Rajoelina omaly raha nitarika io fizarana fanampiana io. Tonga amin’ny fotoana tena ilàna azy ny fanampiana, hoy ireo mpisitraka tafaresaka taminay. Maro amin’izy ireo no mbola sahirana amin’ny fitadiavana andavanandro noho ny fandaminana vaovao napetraka teto amin’ny tanànan’Antananarivo. Araka izany, hanome tantsoroka ny isan-tokantrano ny fanampiana.
Olona manana fitiavan-tanondrazana ary manaiky fandaminana mba hahatsara an’Antananarivo ny ampahany betsaka amin’ireo nisitraka fanampiana omaly, hoy ny Minisitry ny Mponina sy ny Firaisan-kina Razafinjato Aurélie. Miara-miasa sy manaraka ny toromariky ny tompon’andraikitra izy ireo mba hisian’ny filaminana eto Antananarivo, hahafahana miroso amin’ny fampandrosoana maharitra. Miroso hatrany, noho izany, ireo tetikasan’ny fiahiana ara-tsosialy tanterahana eto Madagasikara. Tamin’izany indrindra no nampatsiahivin’ny Minisitra fa nosokafana tany Fianarantsoa tamin’ny herinandro lasa teo ny iray volan’ny fiahiana ara-tsosialy, nanomezan-danja manokana ny mahakasika ny Rejistra Sosialy Tokana. Efa misy ihany koa ireo tokantrano marefo teto an-drenivohitra nafindra eny Fieferamanga, indrindra ireo izay nonina teny an-dalambe tsy nanana trano fialofana. Rehefa nisy ny fifampiresahana dia nanaiky nody any amin’ny toerana nihaviany ny fianakaviana marefo sasany ka nanampy betsaka tamin’ny fampodiana azy ireo ny Fanjakana. Tokantrano 17 no efa nanaiky nody any amin’ny manodidina ny Faritra Itasy, Bongolava sy Vakinankaratra. Nisy tokantrano 20 hafa ihany koa nalefa eny Ambohimiarina, hifototra amin’ny fambolena sy ny fiompiana ka efa manaraka fiofanana mifandraika amin’izany izy ireo ankehitriny. “Manamafy izahay fa miroso hatrany ny fiahiana ara-tsosialy, araka ny vinan’ny Filohampirenena hoe atao ny fampandrosoana miainga amin’ny fampiroboroboana ny maha olona. Ka izay rehetra mangetaheta hiova ny fiainany dia aza misalasala, manatona ny Ministeran’ny Mponina sy ny Firaisan-kina fa izay no adidinay manampy anareo. Fa tsy maintsy omena hasina ny maha olona ary tsy maintsy miakatra ny farim-piainantsika”, hoy ny fanentanan’ny Minisitra. Fanombohana fotsiny ihany moa io notanterahana omaly io. Mbola hisitraka izay anjara fanampiany izay ny boriborintany hafa sy ny any amin’ny Faritra. Hisy isan-kerinandro ny fizarana.
Fampitaovana ireo mpianatra hanala CEPE
Ankoatra ireo fanampiana ny isan-tokantrano ireo dia nahazo tohana manokana ihany koa tamin’io omaly io ireo mpianatra hanala ny fanadinam-panjakana CEPE ao amin’ireo boriborintany 2 ireo. Ary mbola hitohy any amin’ny boriborintany hafa izany mba ho fanamaivanana ny vesatr’ireo Ray aman-dReny amin’ny fampianaran-janaka. Nozaraina « Kit Fahombiazana” izy ireo izay nahita kitapo, kahie, karazana loko sy kojakojam-pianarana samihafa, hatramin’ny ody ambavafo. Mitsinjo antsika hatrany ny Filoha, hoy ny Minisitry ny Fanabeazam-pirenena Sahondrarimalala Marie Michelle. Manaporofo izany ny fampidirana an-tsekoly maimaimpoana ireo ankizy avy amin’ny ankohonana marefo. Nandritra ny fotoam-piasan’ny Filoha Andry Rajoelina, efitranon-tsekoly hatramin’ny 7 468 isa no efa tafatsangana ary fitaovam-pianarana maherin’ny 1 500 000 no efa voazarana manerana ny Nosy nandritra ity taom-pianarana ity.
Sarobidy Sidonie.




