Songadim-baovaoToekarena
BOULEVARD RATSIMILAHO: Hisokatra ofisialy amin’ny sabotsy ny tapany faharoa
Vita tanteraka izao ny lalana “Boulevard Ratsimilaho” any Toamasina. Raha tsiahivina, tapaka noho ny fandalovan’ny rivodoza nifanesy nanomboka tamin’ny taona 1986 io “Boulevard Ratsimilaho” io. Isan’ny mampiavaka an’i Toamasina anefa ny fisian’io lalana io no sady manamora ny fivezivezen’ireo mponina any an-toerana ihany koa. Tsy nisy nieritreritra ny hitondra fanarenana ity lalana ity ireo mpitondra nifandimby. Ny Filohampirenena Andry Rajoelina no voalohany nandray fanapahan-kevitra hanamboatra azy.
Rehefa izany, notokanana tamin’ny volana jona 2024 ny ampahany voalohany amin’ny “Boulevard Ratsimilaho” mirefy 1,8Km, mampifandray ny Hopitaly Be Toamasina sy ny lisea Jacques Rabemananjara. Fantatra koa izao fa amin’ny sabotsy ho avy izao no hosokafana amin’ny fomba ofisialy ny lanana tapany faharoa. Mirefy 1,6Km io lalana io, miala avy eo amin’ny lisea Jacques Rabemananjara, mandalo hotely Marina Beach sy Miou-Miou Club hatrany amin’ny sampanan’ny hotely Darafify. Ny Filohampirenena Andry Rajoelina no hitarika izany fitokanana izany.
Vina napetraka tany am-boalohany ny hoe hampiakarina hahatratra 6m ny haavon’ny lalana mba tsy hatahotra loza voajanahary intsony. Narenina ho vita tara tanteraka sy manaraka ny fenitra, noho izany, ny fotodrafitrasa. Ankoatra ny asa fanamboaran-dalana dia nisy ny fametrahana vatovato ho fiarovana ny morontsiraka amin’ny asan’ny ranomasina. Nametrahana jiro na “lampadaires” ihany koa ny sisin’ny arabe mba hanazavana ny lalana.
Reharehan’i Toamasina ny fahavitana tanteraka ny “Boulevard Ratsimilaho”. Manamora ny fivezivezen’ny mponina izany, manome andrika ny tanàna, ary mahasarika mpitsangatsangana sy mpizahatany ihany koa.
Sarobidy Sidonie.




