PolitikaSongadim-baovao

“BUS ELECTRIQUE” MAODERINA: Hitatitra maimaimpoana ireo vahoaka hihazo an’i Lac Iarivo anio

Tsy ho mena-mitaha amin’ny any ivelany intsony fa miditra amin’ny vanimpotoana maoderina kokoa ny renivohitra, Antananarivo. Hanomboka hiasa eto amintsika ireo fiarabe fitateram-bahoaka mandeha amin’ny herinaratra manontolo. Sady manaja tontolo iainana no manome endrika vaovao ny tanana. Hisantatra io fitateram-bahoaka maoderina io aloha, ny zotra mampitohy an’i Tsarasaotra sy ny seranam-piaramanidina Ivato, ary ho aparitaka manerana ny Nosy. Miisa 300 ireo fiarabe fitateram-bahoaka tonga ireo, ary mbola ho avy ireo andiany manaraka entintsika hanova ny endriky ny fitateram-bahoaka eto Madagasikara. Notanterahina teo ivelan’ny CCI Ivato, omaly maraina, ny fanolorana tamin’ny fomba ofisialy ireo “bus électriques” sy “thermiques” nafaran’ny Fanjakana malagasy ho fanatsarana sy fanavaozana ny sehatry ny fitaterana eto an-dRenivohitra sy amin’ny faritra maro manerana ny Nosy. Miisa 300 no nafarana, ka ny ampahany voalohany 42 no noraisina teny an-toerana. Ny 12 amin’ireo, dia mandeha 100% amin’ny herinaratra. Ny 30 ambiny kosa, mandeha gazoala. Hosantarina anio moa ny fampiasana ireo fitateram-bahoaka ireo amin’ny alalan’ny fitaterana maimaimpoana ireo olona ho avy hijery ny seho rehetra eny amin’ny Lac Iarivo, miainga eo Tsarasaotra.

270 ireo mbola ho avy…

Raha ny fanazavana nentin’ny Minisitry ny fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro dia santatra am-bavarano ihany ireo noraisina teny Ivato. Efa eny ambony sambo, hoy izy, ny ampahany faharoa miisa 100, izay vinavinaina ho tonga afaka tapa-bolana. Tsy vitan’izay fa mbola misy 170 andrasana ho avy any amin’ny faramparan’ny volana jolay, na any amin’ny fiandohan’ny volana aogositra any. Tsy misy faritra hadino amin’ny fanatsarana ny lafiny fitateram-bahoaka, satria haparitaka amin’ny faritra maro manerana ny Nosy ireo “bus” ireo, toy ny any Nosy Be, Antsirabe, Toamasina, Fianarantsoa, Mahajanga, ary Toliara.

Tonga nanatrika ny lanonana teny an-toerana ny Filoham-pirenena, Andry Rajoelina. Natolotry ny filoha lefitry ny orinasa Foton, tamin’io fotoana io, tamin’ny Filoham-pirenena ny lakilen’ireo fiara. Avy hatrany dia ny filoham-pirenena mihitsy no nisantatra tamin’ny fandehanana tamin’ireo “bus électriques” niainga teo amin’ny CCI nankany amin’ny Bani Ivato. Marobe ireo manampahefana tonga teny an-toerana raha tsy hilaza afa-tsy ireo mpikamban’ny Governemanta, ny filohan’ny Antenimieran-doholona, ny filohan’ny Antenimieram-pirenena, ireo senatera sy solombavambahoaka, ny ben’ny tananan’Antananarivo, ary indrindra fa ny mpampiantrano, dia ny ben’ny tananan’Ivato. Nanatrika tao koa ny solontenan’ireo mpitatitra sy ireo mpamily efa nofanina hitondra ireo fiara fitateram-bahoaka ireo.

Rado Harivelo

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer