Songadim-baovaoSosialy
« CARAVANE DE LA SANTÉ » ANY ATSINANANA : Distrika efatra hisitraka fitsaboana maimaimpoana
Any amin’ny tapany atsinanan’ny Nosy indray no hitodihan’ny « Caravane de la Santé » izay nanainga teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha omaly maraina. Nanatrika izany ny Vadin’ny Filoham-pirenena, sady Filohan’ny Fikambanana Fitia, Mialy Rajoelina, sy ireo mpiara-miombona antoka maro miara-misalahy tamin’ny fanatanterahana ny hetsika. Distrika efatra no hisitraka fitsaboana maimaimpoana amin’ity andiany ity, izay hisy olona mpisitraka anarivony.
“Tsapa sy hita fa tena nitondra vokatsoa tamin’ny mpiara-belona ny fisian’ity hetsika ara-pahasalamana ity tamin’ireo Faritra rehetra nandalovany : ny teto Analamanga, tany Atsimo, ka hatrany Atsimo Atsinanana. Hetsika tsotra nefa tena manan-danja tokoa izany”, hoy ny Vadin’ny Filoha, Ramatoa Mialy Rajoelina, omaly, teny Iavoloha raha nanatrika ny fiaingan’ny “Caravane de la Santé” andiany fahadimy. Notsindriany fa ny fanatonana eny ifotony ny mpiara-belona ka ahafahana mitondra fitsaboana mendrika sy sahaza ho azy ireo, ary ny fanentanana amin’ny ady amin’ny herisetra no tanjona amin’ity hetsika ity. Nohatsaraina hatrany ireo tolotra hita mandritra ny “caravane de la santé”. Nilaza ny Minisitry ny Fahasalamama, ny Profesora Zely Randriamanantany, fa misy ireo fitsaboana na fitiliana izay tsy maintsy handaniana vola aman’hetsiny, raha toa ka mankeny amin’ny hopitaly, indrindra fa ny tsy miankina, kanefa azo tsaboina maimaimpoana, mandritra ny hetsika « caravane de la santé ».
« Radiographie » sy « Mammographie »
Miditra amin’ny andiany fahadimy ny hetsika amin’izao fotoana izao, izay efa nanainga omaly teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha, ary hihazo ny tapany Atsinanan’ny Nosy. Araka ny fanazavana, olona maherin’ny 1 200 isak’ireo Distrika efatra izay andalovana no hisitraka ny tolotra amin’ity “rodobe ho an’ny fahasalamana ity”. Isan’ izany ny distrikan’i Manjakandriana, Brickaville, Foulpointe ary any amin’ny distrikan’ny Mahambo.
Hotanterahina mandritra ny hetsika ny fizaham-pahasalamana ankapobeny, toy ny fanaovam-baksiny, ny fitiliana ny homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza, fitiliana diabeta, fitsaboana nify sy ativava, fizahana maso, fizahana ny fahasalaman’ny saina, “echographie”, ny fandrindram-piterahana, sy ireo fizahana ara-pahasalamana maro hafa. Misy ihany koa ny fanentanana ny olona manoloana ny ady amin’ny herisetra. Anisan’ny mampiavaka ity andiany fahadimy ity ny fisian’ny tolotra fitarafana toy ny « radiographie » sy « mammographie » izay lafo dia lafo ny sarany raha aty an-drenivohitra nefa dia omen’ny Fitondram-panjakana maimaimpoana mandritra izao hetsika fahasalamana manakaiky vahoaka izao.
LR sy Johannah (Mpianatra asa).




