PolitikaSongadim-baovao
CENI : Ho fantatra tsy ho ela ireo mpikambana vaovao
Raha toa ka mbola andalana ny fanendrena izay ho solontena eo anivon’ny Ceni ho an’ny rafitra hafa, efa nahavita ny fifidianana izay hisolontena azy ireo kosa ny Antenimieram-pirenena, ny Fitsarana an-tampony, ary ny Holafitry ny Mpisolovava. Fantatra ihany koa fa hivoaka rahampitso ny hisolontena ny mpanao gazety, ary ho fantatra tsy ho ela avokoa ny an’ireo rafitra manana anjara toerana ao amin’izany Ceni izany, toy ny Filohan’ny Repoblika, ny Antenimierandoholona, ny fiarahamonim-pirenena, ary ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana.
Tapitra ny 29 Oktobra 2021 izao ny fepotoam-piasan’ny Ceni ankehitriny. Tsy azo ihodivirana noho izany ny fifidianana ireo ho mpikambana vaovaon’ny Ceni, izay hiantoka ny fikarakarana ny fifidianana rehetra ho avy indray, ato anatin’ny enina taona hifanesy. Hanana solontena eo anivon’ny Ceni, araka ny lalàna mifehy azy, ny Filohan’ny Repoblika, ny fiarahamonim-pirenena, ny Antenimierandoholona, ny Antenimieram-pirenena, ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana, ny Fitsarana Tampony, ny Holafitry ny Mpisolovava, ary ny Holafitry ny Mpanao Gazety.
Taorian’ny fivoahan’izay hisolontena ny Fitsarana Tampony, ahitana an’I Tiana Ifanomezantsoa Randrianarivonantoanina, sy ny avy amin’ny Holafitry ny Mpisolovava, dia nanatanteraka ny fifidianana izay hisolotena azy ireo ihany koa ny Antenimieram-pirenena omaly. Nandritra izany no nifidianan’ireo Solombavambahoaka miisa 118 tamin’ny 130 nandatsa-bato an’Andriamatoa Houssene Abdallah. Tsara ho fantatra fa niisa enina ireo nirotsaka hofidiana tamin’izany toerana izany, ka i Houssene Abdallah no voafidin’ny maro an’isa, tamin’ny salanisa 92,91%.
Marihina fa efa nitana andraikitra maro teto amin’ny firenena Andriamatoa Houssene Abdallah. Mpitsara misotro ronono izy ankehitriny ary efa Minisitry ny Fitsarana tamin’ny taona 1996-1997, Minisitry ny Jono tamin’ny 1997-2002, Solombavambahoaka voafidy tao Soalala tamin’ny taona 1997 sy tamin’ny taona 2014-2018 ary mpikambana teo aloha tao amin’ny Haute Cour de Justice avy amin’ny Antenimierampirenena.
Ho fantatra rahampitso ny an’ny Mpanao Gazety
Tetsy ankilany, nilaza ihany koa ny Filohan’ny Holafitry ny Mpanao Gazety omaly fa hamoaka ny anaran’izay ho solontenan’izy ireo eo anivon’ny Ceni rahampitso izy ireo. Efa mivory eto Antananarivo avokoa amin’izao fotoana ireo birao mandrafitra ny Holafitry ny mpanao gazety isam-paritra, hifidianana ity ho solontenan’ny mpanao Gazety ity. Ho an’ny Antenimierandoholona manokana indray, azo antoka fa tsy maintsy ho ao anatin’ity fotoam-pivoriana ara-potoana faharoa ity no hanaovana ny fifidianana izay hisolontena azy ireo eo anivon’ny Ceni. Andrasana kosa ny lahadinika mifandraika amin’izany ao amin’ity Andrimpanjakana ity.


