PolitikaSongadim-baovao
CENI : Voatendry ireo mpikambana vaovao miisa fito
Taorian’ny fahataperan’ny fe-potoam-piasan’ireo mpikambana ao amin’ny Vaomieram-pirenena Mahaleotena misahana ny Fifidianana na ny CENI, dia noraisina ny sabotsy 30 oktobra 2021 lasa teo ny didim-panjakana laharana faha 2021-1200 izay anamarinana ny fahalanian’ireo mpikambana vaovao ao amin’izany rafi-panjakana izany.
Araka ny didim-panjakana laharana faha 2021-1200 dia notendren’ny Filohan’ny Repoblika ho mpikambana handrafitra ny Vaomieram-pirenena Mahaleotena misahana ny Fifidianana na ny CENI mandritry ny enina (06) taona manaraka, ireo olona miisa fito voafidy isak’ireo rafitra manana anjara solontena amin’izany. Tafiditra ao anatin’izany Atoa Razafimamonjy Laza Rabary izay avy amin’ny Antenimierandoholona. Eo koa Atoa Houssene Abdallah, izay voafidin’ny Antenimieram-pirenena. Voafidin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàm-panorenana kosa Atoa Fidimiafy Roger Marc. Etsy ankilany, voatendry ho eo anivon’ny Ceni ihany koa Atoa Jeannot Guy Georges Razafindraibe izay voafidin’ny holafitry ny Mpisolovava. Atoa Andriamarotafikatohanambahoaka Ralaisoavamanjaka kosa indray no solontenan’ny mpanao gazety notendren’ny Filoha. Ary solontena avy amin’ireo fiarahamonim-pirenena miorina ara-dalàna ary miantsehatra ao anatin’ny fanaraha-maso ny fifidianana kosa Atoa Ravalitera Jacques Michaël sy Atoa Andriamalazaray Andoniaina.
“Marihina fa araka ny lalàna dia miisa sivy (9) ny mpikambana ao amin’ny Vaomieram-pirenena Mahaleotena misahana ny Fifidianana na CENI, ka ny mpiakambana anankiray izay tendren’ny Filoham-pirenena sy ny anankiray izay fidian’ny Fitsarana Tampony dia ho fantatra afaka andro vitsivitsy », hoy ny fampitam-baovao avy tamin’ny Fiadidiana ny Repoblika ny sabotsy 30 Oktobra 2021 teo.
Solontenan’ny Antenimierandoholona
Tsara ho fantatra fa notanterahina ny sabotsy teo, tetsy amin’ny Lapan’Anosikely ny fifidianana izay hisolo tena ny Antenimierandoholona eny anivon’ny vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana na ny CENI. Miisa 10 ireo Loholon’I Madagasikara afaka nanatanteraka fifidianana ka lany tamin’ny isam-bato 9/10 Andriamatoa Razafimamonjy Laza Rabary, izay efa notendren’ny Filohan’ny Repoblika rahateo, tamin’ny alalan’ny didim-panjakana. Ity mpikambana voafidin’ny Antenimierandoholona ity izay mpikambana ao amin’ny “Corps des Administrateurs Civils en Chef de Classe Exceptionnelle ». Andriamatoa Razafimamonjy Laza Rabary koa dia mitàna ny andraikitra Sekretera Jeneralin’ny Ministeran’ny asa, ny fampananan’asa, ny asam-panjakana ary ny lalàna sosialy nanomboka ny taona 2019 mandrak’ankehitriny. Ny taona 2017 ka hatramin’ny taona 2018 dia mpikambana tao amin’ny “Conseil d’Administration” tao amin’ny Ecole Nationale de la Magistrature et des Greffes na ENMG ny tenany. Ny taona 2015 ka hatramin’ny taona 2018 kosa dia Tale Jeneralin’ny asam-panjakana tao Ministeran’ny asam-panjakana, ny asa ary ny lalàna sosialy; ary ny taona 2015 dia « Directeur des Archives et de la Réforme de la Fonction Publique » par interim tao amin’io Ministera io ihany izy. Ankoatr’izay dia efa nisahana andraikitra maro teto amin’ny Firenena ny tenany, ary izy dia “Enseignant non Permanent” ao amin’ny Ecole Nationale d’Administration de Madagascar na ENAM nanomboka ny taona 2014.




