Songadim-baovao

CENTRE D’INCUBATION, KIANJA, EPP, LALANA, BIRAO… : Fotodrafitrasa maro no notokanana tao Ihosy

Nanatontosa fitsidiham-paritra tao Ihosy, renivohitry ny Faritra Ihorombe, ny Filoha Repoblika Andry Rajoelina, ny sabotsy lasa teo. Anton-diany tamin'izany ny fitokanana ireo zava-bitan'ny Fitondram-panjakana sy ho fanatanterahana ny Velirano nataony tamin'ny vahoaka. Isan’ireo notokanana tany an-toerana ny "Centre d’incubation", EPP Manarapenitra, Birao Fitaleavam-paritra, lalana, kianja manarapenitra sy ny maro hafa. Fanadihadiana…

Hoavin’ny ankizy ny fisian’ny EPP Manarapenitra notokanana toa izao.

Nanatanteraka fitsidiham-paritra tao Ihosy, renivohitry ny Faritra Ihorombe, ny Filoha Repoblika Andry Rajoelina, ny sabotsy lasa teo. Anton-diany tamin’izany ny fitokanana ireo zava-bitan’ny Fitondram-panjakana sy ho fanatanterahana ny Velirano nataony tamin’ny vahoaka. Nanombohany izany taty an-toerana ny fitokanana ny EPP manarapenitra Ihosy Centre 1. Nilaza ny Filoha Andry Rajoelina tamin’ny kabariny fa  tamin’ny fandalovany farany tamin’ny herintaona  lasa izay, mbola andron’ny Covid . « Niteny aho hoe hiverina eto hiaraka hifaly isika sy hitokana fotodrafitrasa. Herintaona  katroka, miverina eto aho. Mitaraina ireo mpianatra manerana ny Nosy, betsaka no tsy manana sekoly, mianatra amin’ny tany. Androany anjaran’ny vahoakan’iIhosy no misitraka ny EPP manara-penitra. Manara-penitra na ny anatiny na ivelany « , hoy izy. Nohamafisiny fa  ny zava-drehetra tsy maintsy havaozina. Tamin’ny 2 janoary 1900 no namboarina ny EPP Centre, ka nandray fanapahan-kevitra ny Fitondram-panjakana handrodana izany, ary hanao vaovao ka nanangana ilay EPP goavana,  afaka mandray mpianatra 800 ity. Nanamarika ny Filoha Andry Rajoelina,  fa tsy ho araka ny hitokana ireo sekoly vaovao rehetra,  ka nanome tsodrano an- Rtoa minisitra hanokatra ireo efa  napetraka ihany koa izy.  Tsy nohadinoina koa ny fanomezana  fitaovana, toy ny boky fianarana maro isan-tsokajiny miaraka amin’ny  « tablette ».

Tamin’ny fandraisam-pitenenana,  nilaza ny minisitry ny Fanabeazam- pirenena, Rtoa Sahondraharimalala Marie Michelle fa « mendrika zavatsoa ny zanaka malagasy. Porofo ny fanatanterahana ny Velirano fahefatra, dia ny fanomezana fanabeazana tsara kalitao ho an’ny mpianatra malagasy rehetra. Nohamafisiny fa tsy misy distrika hadino eran’i Madagasikara eo amin’ny sehatry ny fanabeazana.  Mampiavaka ity  EPP Ihosy ity, ny fisian’ny « Prescolaire ». Manana  koa kilasa manokana ho an’ny zaza sembana. Tiana ny manamarika fa izy irery no EPP misy an’io amin’ny Faritra Ihorombe. Ahitana  « cantine scolaire » koa ity sekoly manarapenitra ity. Efitrano 12 ary misy trano famakiam-boky maoderina sy fiaranana haikajy mirindra.

Volan’ny Fitondrana madiodio…

Mampirisika an-dRtoa minisitra ny Filoha hanokana tetibola hanampiana ireo fikambanam-behivavy rehetra manerana ny Nosy.

Tsy nohadinoina koa ny nanokana ny  Biraon’ny fitalevam-paritry ny minisiteran’ny Mponina sy ny fiahiana ara-tsosialy sy ny fiahiana ny vehivavy ao amin’ny Faritra Ihorombe. Nasongadin’ny  minisitry ny Mponina fa « volan’ny Fitondrana madiodio no nanaovana ity fotodrafitrasa vaovao ity. Tamin’ny taona 2011 no nijoro ny Fitalevam-paritra ao Ihorombe ». Mpiasa  10 no miasa ao ankehitriny. Nanentana ireo fikambanana rehetra toy ny fikambanan’ny olon-kendry, ny lehilahy mandray andraikitra ary vehivavy miavotra ny tenany hiditra ao anaty lisi-pifidianana. « Ny fidoboky ny fo feno hafaliana no hitako. Midika fa manakaiky ny vahoaka ny Fanjakana. Manaraka ny velirano hoe ny bBirao-panjakana ny asam-panjakana manakaiky ny vahoaka. Natao hiahy ny vehivavy sy ny fikambanam-behivavy ity birao ity » hoy ny Filoha. Nilaza izy fa mampirisika an-dRtoa minisitra ny tenany hanokana  tetibola hanampiana ireo fikambanam-behivavy rehetra manerana ny Nosy.

Ravo ny vahoakan’Ihosy manoloana ireo fotodrafitrasa vao hotokanana teo.

Lalana rarivato…

Anisan’ny velirano ny Filoha ny fanamboarana lalana toa izao.

Ankoatra ny EPP Manarapenitra sy ny Biraon’ny fitaleavam-paritry ny minisiteran’ny Mponina sy ny fiahiana ara-tsosialy sy ny fiahiana ny vehivavy ao amin’ny Fritra Ihorombe, dia tsy nohadinoina koa ny nitokana ny lalana rarivato St Pierre Chanel Andrefantsena Ihosy, ny sabotsy lasa teo. Nilaza ny Governoran’ny Faritra Ihorombe fa fanampiana ara-bola azo ny desambra 2019 nanaovana azy io. Noho ny fangatahan’ireo ray aman-dRenin’ny mpianatra, izay sahirana rehefa mandeha amin’ity lalana ity no nanaovana azy. Sekoly namoaka olomanga maro, ary koa « lauréat » tamin’ny taona 2021 teo amin’ny série A2 izy ity. Nohamafisiny fa io no nanombohana ny fotodrafitrasa ho an’ny sekoly. Misy fifanarahana mazava teo amin’ny Governoram-paritra  ka ireo mpianatry ny lisea teknika sy ny fiofanana arakasa no nampianarina rarivato sy namaky vato ary nanao ny asa  izao vita izao.

Tamin’ny fandraisam-pitenenany dia nilaza ny Filoha Andry fa zava-dehibe ny lalana ho an’ny fampandrosoana. Nampatsahiviny fa « ny lalana Ambilobe – Vohemar tsy nisy nanao fa ataontsika ary efa hotokanantsika ». Raha ny aty Atsimo, efa nanao Velirano aho fa tsy maintsy ho vita ny RN13. Betsaka ny mpamendrofendro, fa ho avy bevata isika hanao ny fanombohana ny asa Ihosy – Ambovombe, izay hatomboka amin’ity taona ity. Mikasika ny RN10 mandalo distrika enina,  dia tsy maintsy  hovitaina koa.

Nisitraka kianja manarapenitra ny tao Ihosy

Ilay kianja manarapenitra notokanan’ny Filoha, Andry Rajoelina.

Izay nambarany dia notanterahiny ! Nahazo Kianja Manarapenitra ny tanànan’Ihosy, araka ny nampanantenain’ny Filohan’ny Repoblika, Andry Rajoelina azy ireo. Sady toerana ahafahan’ny tanora manomana lalao lehibe izy ity, no toerana hanehoana sy firaisan-kinan’ny samy Malagasy. Ambentin-tenin’ny Filoha hatrany fa  « tsy misy Faritra na Distrika hadino izany,  ary laharam-pahamehana ho an’ny Fitondram-panjakana ny fametrahana fotodrafitrasa tahaka izao. Tsy ho latsa-danja mihoatra ny kianja manara-penitra, fa  efa manomboka  koa ny fanorenana  Gymnase Manarapenitra ao Ihosy. Nampatsiahivin’ny Filoham-pirenena nandritra ny fihaonana tamin’ireo vahoaka marobe tonga tany an-toerana fa « maro ny fotodrafitrasa natsangana tao Ihosy. Ankoatra ny sekoly manarapenitra, dia efa maro ireo Biraom-panjakana napetraka amin’iny Faritra Ihorombe iny. Fanamby napetraky ny Fitondram-panjakana rahateo, ny fananganana fotodrafitrasa ilain’ny vahoaka, sady manakaiky vahoaka, hitondrana ny fampandrosoana isaky ny Faritra. Ankoatra izay, tsy nohadinoina koa ny nanohana ara-pitaovana ireo tanora any an-toerana, toy ny fanomezana « maillots » ho azy ireo. Velom-bolo tanteraka ireo tanora, nisitraka ny kianja manarapenitra, mba hahafahan’izy ireo mampiseho ny talentany, indrindra ny fa ny resaka baolina kitra.

Nanana ny tantarany manokana…

Zava-dehibe ny fijoroan’ny Fiangonana, indrindra ny ara-panahy.

Ankoatra ireo fotodrafitrasa maro, tsy nohadinoina koa ny eo amin’ny lafiny ara-pinoana. Tao anatin’ny Camp miaramila 30 taona lasa izay, no nampianarana sekoly alahady ny zanak’ireo miaramila. Tamin’ny taona 2017 no nametrahana ny vato fehizoron’ny FLM Fanantenana Tanakaompania Ihosy.  Taorian’izay,  nomen’ny Filoha Andry Rajoelina manontolo ny fanorenana ny Fiangonana sy ny fampitaovana rehetra tao anatiny. Tamin’ny alalan’ny tetikasa CCPREAS  no nahafaha-nanatontosa ny asa. Notanterahin’ny Filoha, araka izany, ny teny nomeny tamin’ny fandalovany tao Ihosy nandritra ny fampielezan-kevitra. « Voamarika tamin’ny zavatra notokanana anio ny finoana. Am-pitiavana no nahafahako mandray anjara tamin’ity fiangonana ity. Ankoatra ireo, fitaovana hafa dia nanome lakolosy koa ny tenany.  Notsahiviny fohy ny zava-nisy ka nahatongavana tamin’ny fahavitan’izao fiangonana izao.  » Misy tantarany ity fiangonana ity. Tamin’ny fotoan’ny fampielezan-kevitra no nisy nitoraka voninkazo raozy tamin’ny lalana nalehako, Taorian’izay rehefa lany Filoha aho ka niverina teto Ihosy tamin’ny 5 mey 2021, nanolotra angidimby ho an’ny Tafika, dia nanatona ahy Rtoa Tsabao fa izy no nitoraka ilay raozy », hoy  ny Filoha Andry Rajoelina. Nangataka ny hanorenana Fiangonana izy tamin’izay, satria mbola trano bararata no nisy. Teo no nanomboka ny fakana ny fanapahan-kevitra ny hanamboarana ny Fiangonana. Herintaona katroka androany izay », hoy izy. Nohamafisiny fa zava-dehibe ny fijoroan’ny fiangonana. Resy lahatra ny tenany fa maro ny tanora no miverina mivavaka. Santatra ambava rano izao, hoy izy, fa ny manetsa be mbola ho avy.  » Mila hamafisina ny fiara-miasa. Havaozintsika ihany koa ny tafon’ny fiangonana Katedraly  ao Ihosy, raha ny fanantitranterany.

Fermer