Songadim-baovaoSosialy

CEPE 2025: Kandida miisa 571 367 manerana ny Nosy, 115 manana fahasembanana

Rahampitso 17 jona no hanatanterahana ny fanadinam-panjakana CEPE (Certificat d’Etudes Primaires Elémentaires) manerana ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara, ho an’ny taom-pianarana 2024-2025. Efa tomombana avokoa, amin’izao ora vitsy mialoha ny fanadinana izao, ny lamina rehetra hahafahana miatrika izany. Hatramin’ny sabotsy teo, ary mbola mitohy anio, ny fahafahan’ireo mpiadina sy ny Ray aman-dReny mijery mialoha ny efitranom-panadinana mba tsy hikoropahana mandritra ny andron’ny fanadinana. Raha tsiahivina moa, fanavaozana nentina amin’ny fikarakarana ny fanadinana CEPE manomboka amin’ity 2025 ity ny hoe eny anivon’ny CISCO tsirairay no mandray an-tanana ny asa fikarakarana rehetra, raha toa ka nosahanin’ny foibem-pitondrana misahana ny fanadinana sy ny fanamarinana mari-pahaizana (DEXAMC) izany teo aloha. Noraisina io lamina vaovao io mba ho fanomezan-danja ny fitsinjaram-pahefana sy hampifanaraka bebe kokoa ny toe-java-misy eny anivon’ny faritra ny fanatanterahana izany fanadinam-panjakana izany. Miara-dalana amin’izany ny fepetra momba ny tsy fampitoviana ny laza adina isaky ny DREN.

Nampahafantatra, araka izany, ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena tamin’ny faran’ny herinandro teo fa mitotaly 571 367 ny fitambaran’ireo mpiadina CEPE manerana ny Nosy amin’ity taona 2025 ity. Miparitaka amina ivontoeram-panadinana miisa 2 088 izy ireo, izay ahitana efitranom-panadinana miisa 15 737. Mbola ahitana mpiadina betsaka indrindra hatrany moa ny eto amin’ny faritanin’Antananarivo. Miisa 177 559 ireo mpiadina CEPE eto an-drenivohitra amin’ity taom-pianarana 2024-2025 ity. Manaraka azy ny any Fianarantsoa izay ahitana mpiadina miisa 108 934. Miisa 99 974 ny mpiadina CEPE hita any Toamasina, 71 575 ny any Mahajanga, ary 61 476 ny any Antsiranana. Faritra ahitana mpiadina vitsy indrindra amin’ity taona ity kosa ny any Toliara: 51 849.
Mahakasika ireo mpiadina manana fahasembanana indray, miisa 115 izy ireo no hiatrika fanadinana CEPE rahampitso. Ankizy jamba ny 11 amin’ireo, manana olana ara-pahitana ny 7, ary endrika fahasembanana hafa ny 97 ambiny.

Sarobidy Sidonie.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer