Songadim-baovaoSosialy

CEPE 2025: Nizotra am-pilaminana ny fanadinana tamin’ny ankapobeny

Tsy nahitana olana firy ny fanatanterahana ny fanadinana CEPE (Certificat d’Etudes Primaires Elémentaires) izay notontosaina omaly 17 jona 2025 manerana ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara. Midika izany fa efa matihanina amin’ny fikirakirana io fanadinam-panjakana io ireo mpisehatra rehetra. Izany indrindra no nahatonga ny Minisitry ny Fanabeazam-pirenena Sahondrarimalala Marie Michelle nanantitra ny fankasitrahana ireo fifanomezan-tanana teo amin’ny tompon’andraikitra isan-sokajiny, ahitana ny mpampianatra sy mpanabe, ny Ray aman-dReny, ny talen-tsekoly, ny CISCO, ny DREN ary ny ekipan’ny Minisitera. Ny fifanomezan-tanana niraisan’ireo rehetra ireo no nahafahana nahatontosa ny fanomanana rehetra sy nahafahan’ireo ankizy niatrika am-pilamianana ny fanadinana.

Marihina fa teny amin’ny ivontoeram-panadinana CEG Avaradrova-Antananarivo no nanaovan’ny ekipan’ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena fidina ho fanamarihana ny fanombohana ny fanadinana CEPE 2025. Nitarika izany ny Minisitra izay nanambara fa matihanina ny rindran-damina sy ny paikady nampiharina tao amin’io ivontoerana io. Niisa 637 ireo mpiadina tao an-toerana izay notsinjaraina tao anatin’ny efitranom-panadinana miisa 14.

Tranga niavaka tamin’ny fanadinana CEPE 2025 kosa anefa ny fisiana mpiadina narary tampoka ka tsy afaka niatrika ny fanadinana. Tany Mahajanga no nisehoan’izany, nahazo ny zazalahy Kely iray 12 taona. Nisedra tsy fahasalamana tampoka izy tamin’ny tolakandron’ny alatsinainy lasa teo, raha toa ka mbola nentin’ny Reniny nanao famerenana tany an-tsekoly. Trangan’aretina niseho taminy ny fahalemena tampoka tamin’ny ilain’ny vatany. Nentina namonjy hopitaly avy hatrany ka tsy tonga tany amin’ny ivontoeram-panadinana omaly. Mbola notanana sy arahi-maso any amin’ny hopitaly Androva Mahajanga io ankizy io, hahafantarana ny antony tena nahavoa azy.

Tsiahivina fa miisa  571 367 ireo ankizy manerana ny Nosy niatrika iny fanadinana CEPE natao omaly iny. Ho an’ny teto amin’ny CISCO Antananarivo renivohitra manokana dia 06 taona ny mpiadina zandriny indrindra, raha toa ka 43 taona ny zokiny indrindra.

 

S.S

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer