Songadim-baovao
CFIM – ZANDARIMARIA : Hifampizara traikefa amin’ny fiarovana an-dranomasina
Nanatanteraka fifanaovan-tsonia fifanaraham-piaraha-miasa ny eo anivon’ny CFIM sy ny Zandariamariam-pirenena, omaly tetsy Ankadivato. Fifanakalozam-baovao sy fifanampiana ara-traikefa sy ara-pitaovana mikasika ny fiarovana an-dranomasina no votoatin'ny fifanaraham-piaraha-miasa…

Notontosaina omaly 22 septambra, teny amin’ny « Centre de fusion et d’informations maritimes » na CFIM tetsy Ankadivato, ny fanaovan-tsonia fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny Zandarimariam-pirenena sy ny CFIM. Fifanakalozam-baovao sy fifanampiana ara-traikefa sy ara-pitaovana mikasika ny fiarovana an-dranomasina no votoatin’ny fifanaraham-piaraha-miasa. Voahodidina ranomasina 1 225 259 km2 ary manana toerana ara-toekarena 370 km miala sy manodidina ny sisin-taniny i Madagasikara. Mazava, araka izany, fa tsy ho vita mora ny hiaro ny sisin-dranomasina eo amin’ny mpitandro filaminana ka mila tsy maintsy manana ny antontam-baovao maty paika momba ny tontolo an-dranomasina, iarovana ireo mpanao fitrandrahana tsy ara-dalàna.

Tonga nisolo tena ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena, ny Jly Njatoarisoa Andrianjanaka, Kaomandin’ny zandarimariam-pirenena tetsy andaniny, raha ny Tale jeneralin’ny CFIM kosa, no teo ankilany. Heverina, araka izany fa hampihena ny loza mananontanona ny sisin-dranomasina, toy ny asa fampihorohoroana, ireo jiolahin-tsambo, ny fitondrana zava-mahadomelina, ny fifamezivezen’ireo mpifindra monina tsy ara-dalàna, ary ireo fanondranana tsy ara-dalàna maro samihafa, ny fifanaraha-mpiaraha-miasa eo amin’ny CFIM sy ny Zandarimariam-pirenena.



