PolitikaSongadim-baovao
CHAN 2022 – ALGÉRIE: Hiady ny laharana fahatelo ny Barea an’i Madagasikara
Lavon’i Sénégal tamin’ny isa 1 no ho 0 ny Barea an’i Madagasikara omaly nandritra ny lalao manasa-dalan’ny CHAN 2022 atao any Algérie. Ankilany, tamin’isa 5 no ho 0 no nandavoan’i Algérie an’i Niger. Ny Barea sy ny Niger, noho izany, no hiady indray ny laharana fahatelo amin’ny zoma izao. Ny sabotsy 04 Febroary 2023 kosa no hotanterahina ny lalao famaranana eo amin’i Algérie sy i Sénégal.
Samy tsy nisy nanampo ilay baolina tokana tafiditry ny Sénégalais teo amin’ny minitra fahadimin’ny lalao omaly, ny rehetra. Isa tokana, izay nezahan-ndry zareo Sénégalais no niaro azy, ka tsy nahita irika hatramin’ny farany ny Barea an’i Madagasikara. Nanindry ny Sénégalais tamin’ny ankapobeny, araka ny statistika vitsivitsy mahakasika ny lalao. Nisy ihany fanafihana vitsivitsy nataon’ny Barea, niainga tamin’ireo toromarika napetraky ny mpanazatra Rôrô, saingy tsy nahitam-bokany izany.
Samy nanana ny fanehoan-keviny ny mpitia kitra sy ny mpankafy Barea rehetra. Saika nitovizan’ny fomba fijery kosa ny lesoka tao amin’ny vodilaharana ankavia, nisy an’i Avizara, izay nisiana fanafihana sénégalais maro. Toeran’i Avotra na i Dadafara moa io niandraiketany io. Everina fa nanana ny antony ny mpanazatra nisafidy azy hisolo ny toeran’i Dadafara saingy tsy tratra ny tanjona.
Na izany aza, mendrika ny zava-bitan’ny Barea an’i Madagasikara. Tsiahivina hatrany fa fandraisana anjara voalohany ho antsika Malagasy ity fiadiana ny tompondakan’i Afrika ity. Tsy mitsanga-menatra, noho izany, ny Firenena malagasy raha toa ka tonga hatrany amin’ny dingan’ny manasa-dalana. Ny fiadiana ny laharana fahatelo no imasoan’ny Barea ankehitriny, izay hihaonany amin’i Niger amin’ny zoma ho avy izao. Ankilany, amin’ny sabotsy 04 febroary 2023 ny lalao famaranana goavana hifanandrinan’i Sénégal sy Algérie. Tsara ho fantatra fa tamin’ny isa mavesatra 5 no ho 0 no nisarahan’i Algérie sy ny Niger teo amin’ny lalao manasa-dalana omaly.
Randriah.




