Fanatanjahan-tenaSongadim-baovao
CHAN 2022 – ALGÉRIE: Manana herijika ho any amin’ny manasa-dalana ny Barea
Hiatrika ny dingan’ny ampahefa-dalan’ny Fiadiana ny tompondakan’i Afrika ny Barea an’i Madagasikara anio, amin’ny 7ora, ora eto Madagasikara. Ny ekipam-pirenen’i Mozambika no hifanandrina amin’izy ireo amin’izany. Ambony ny herijika hahatafakaran’ny Malagasy any amin’ny manasa-dalana, raha ny fifanandrinana teo amin’ireto ekipa roa ireto no jerena. Ny mpanazatra ihany koa efa nilaza fa nohamafisina ny fanomanana ity lalao ity, na ara-batana na ara-tsaina.
Vonona handavo ny Mozambikanina ny Barea an’i Madagasikara anio, ao anatin’ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika (CHAN 2022), tsy ahitana ireo mpilalao mpila ravinahitra any ivelany, izay tanterahina any Algérie. Tafiditra ao anatin’ny dingan’ny ampahefa-dalana ity lalao tanterahina anio ity, izay hanomboka amin’ny 07ora hariva. Tsiahivina hatrany fa fandraisana anjara voalohany ho an’ny Barea an’i Madagasikara ity CHAN 2022 ity, raha toa kosa ka fanintelony ho an’ny Mozambikanina.
Nandresy inefatra, resy indroa
Tao anatin’ny lalao valo nihaonan’i Madagasikara sy ry zareo Mozambikanina, dia efa inefatra isika Malagasy no nandavo an’i Mozambika, ary indroa kosa no nanao sahala, ary indroa koa ry zareo Mozambikanina no nandresy an’i Madagasikara. Ny 15 Jona 2008, Madagasikara nanao iray sy iray tamin’ny Mozambika nandritra ny fifanintsanan’ny Amboara erantany. Ny 22 jona 2008, mbola fifanintsanan’ny Amboara erantany ihany koa, izay naharesen’ny Mozambikanina antsika Malagasy tamin’ny isa 3 no ho 0. Ny 03 Jona 2017, dia nomontsanin’i Madagasikara tamin’ny isa 4 no ho 1 i Mozambika tao anatin’ny COSAFA CUP. Ny 16 Jolay 2017 kosa, nisaraka ady sahala 2 no ho 2 no nisarahan’ny roa tonta, tao anatin’ny fifanintsanan’ny CAN. Mbola fifanintsanan’ny CAN ihany koa, ny 13 Jolay 2017, resin’i Madagasikara 2 no ho 0 ry zareo Mozambikanina. Ny 17 Mey 2018, resin’i Madagasikara tamin’ny isa 2 no ho 1 i Mozambika. Ary ny 28 Jolay 2019, dia mbola lavon’ny Barea tamin’ny isa 1 no ho 0 tamin’ny fifanintsanan’ny CAN i Mozambika.
Araka ny fampahafantarana nataon’ny Federasiona malagasin’ny Baolina Kitra, dia nisy ny fanamorana ny fandehanana any Algérie rehefa nisy fampiraharahana nataon’ny Fitondram-panjakana malagasy tarihin’ny Filohan’ny Repoblika Malagasy Andry Rajoelina sy ny Masoivohon’i Madagasikara ao Frantsa tamin’ny firenena alzeriana, ho fahafaha-manatrika ny lalao ampahefa-dalan’ny CHAN Algérie 2023 izay hihaonan’ny Barea amin’ny « Mambas du Mozambique » anio ao Constantine. Ireo Malagasy monina ao France, Europe sy ny manodidina no voakasik’ity fanapahankevitra ity. Ho raisin’ny Fitondram-panjakana an-tanana ny saran’ny VISA ho an’ireo Malagasy maniry ny hihazo an’i Algérie hanohana ny Barea, araka ny fanazavana.
FANEHOAN-KEVITRA…
TANTELY (Kapiteny): “Efa niasa mafy sy nanomana ho an’ny lalao rahampitso (ndlr : anio) izahay. Ho hita eo ny vokatra rahampitso. Ho mailo hatrany izahay manoloana ny Mozambikanina ary hiezaka ny hifantoka tanteraka… Niezaka mafy hatrany mba ho reharehan’ny firenena manontolo, ary tsy ho fiafarany ny rahampitso fa hiezaka ny hanohy hatrany, ary handresy izahay. Nampitaiko tamin’ny ekipa hatrany ny maha zava-dehibe ny firaisankina, ary mila mandresy hatrany amin’ny lalao rehetra… “
MPANAZATRA RÔRÔ : “Nanomana tsara izahay teo amin’ny ara-tsaina na ny ara-batana, satria hafa io fa tsy mitovy amin’ny lalao mahazatra tany amin’ny isam-bondrona. Ekipa mafy ny Mozambikanina, ary mafy dona. Itako izany tamin’ireo lalao telo nataon’i Mozambika tamin’ity CHAN ity. Na izany aza, efa niomana ny Barea, ary nahomby ihany koa ny asan’ny mpitsabo satria efa tafarina i Datsiry, ka feno avokoa ny ekipa ankehitriny. Tombony ho anay ny fijanonana teto Constantine. Hapetraka hatrany ihany koa ilay toe-tsaina mampidi-baolina. Hiezaka hanome ny tsara indrindra izahay”.
MINISITRA LALATIANA ANDRIATONGARIVO : « Tena mahafaly ny dingana vitan’ny Barea, satria tany am-piandohana tahaka ny tsy nisy nino ny dingana ho vitan’izy ireo… Io rehefa atao am-pinoana ny zavatra iray dia mahita fahombiazana. Etoana aho miarahaba ny Barea CHAN satria dingana goavana teo amin’ny tantara ny vitan’izy ireo. Misongadina i Madagasikara ankehitriny. Mahafaly ny mahita fa voalohany isika tao amin’ny Vondrona C. Mahafaly koa ny mahita fa voafidy ho mpanazatra mendrika indrindra ny Coach Rôrô, ary mpilalao mendrika indrindra i Koloina, tany amin’ny lalao isam-bondrona. Hita hoe miezaka ny bandy kelintsika. Minoa ahy fa ny fanohanantsika azy ireo dia tena zava-dehibe, indrindra amin’izao fiatrehana ny ampahefa-dalana izao indray”
KOLOINA RAZAFINDRANAIVO (Mpilalao): Voafidy ho anisan’ny mpilalao mendrika indrindra nandritra ny dingana fifanintsanana isam-bondrona CHAN Algerie 2022 ilay mpilalao ekipam-pirenena malagasy Koloina na Rakool. Ny tenany raha tsiahivina no isan’ny nampidi-baolina tamin’ny lalao nifanandrinan’ny Barea sy Soudan farany teo, ary efa voahosotra ho mpilalao mendrika tamin’izany fihaonana izany. I Koloina dia mpilalaon’ny CFFA-Andoharanofotsy ankehitriny ary efa nilalao tao amin’ny Five FC.
RAKOTONDRABE ROMUALD FÉLIX (Mpanazatra): Voasafidy ho mpanazatra mendrika indrindra nandritra ny dingana fifanintsanana isam-bondrona CHAN Algerie 2022 i Rôrô na Rakotondrabe Romuald Félix, mpanazatra ny Barea. Tsiahivina fa vao sambany ny Barea no nandray anjara tamin’ity fifaninanana iraisampirenena ity, kanefa tsy mbola resy mihitsy. Tsara ho fantatra fa ny Coach Rôrô dia efa tompondakan’ny Orange Pro League 2020-2021 niaraka tamin’ny AS Adema. Ary efa nitondra ny AS Jet Mada (2019-2020) sy DATO Football Club Farafangana 309 ihany koa (2021-2022).




