
Fanatanjahan-tenaSongadim-baovao
CHAN 2022: Hiakatra kianja voalohany ny Barea rahampitso
Sambany teo amin'ny tantaran'ny baolina kitra malagasy ny ekipam-pirenena Barea A' no hiatrika ny dingana famaranan'ny fiadiana ny tompondakan'i Afrika na ny CHAN, tontosaina any Alzeria. Manana herijika hiatrehana ny fifaninanana ireo maherifon'ny Malagasy, ary efa ampy tsara raha ny fanomanan-tena ho an'ireo mpilalao. Hiakatra kianja voalohany izy ireo rahampitso, hifanandrina amin'ny ekipam-pirenen'i Ghana ao amin'ny kianja Chahid- Hamlaoui, Constantine.
Sambany teo amin’ny tantaran’ny baolina kitra ny ekipam-pirenena Malagasy Barea no handray anjara amin’ny dingana famaranan’ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, taranja baolina kitra tsy ahitana mpilalao mpila ravinahitra na ny “CHAN 2022”. Fifaninanana goavana hatrehin’ireo mpilalao Malagasy nivoatra tamin’ireo klioba avy eto Madagasikara. Hiakatra kianja voalohany ny ekipam-pirenena Malagasy Barea rahampitso, hifanandrina amin’ny kintana maintin’i Ghana. Manana herijika hivoahana ao amin’ny vondrona C misy azy ny Malagasy amin’ity andiany fahafito ity noho ny Lion’i Atlas an’i Ghana niala an-daharana tamin’ny ora farany. Tsiahivina fa saika ireo mpilalao latsaky ny 23 taona avokoa no handray anjara sy hisolontena an’i Maraoka A’ tamin’ity andiany ity ho fanomanan-tenan’izy ireo amin’ny fiatrehana ny fiadiana ny amboaran’i Afrika « CAN U23 » amin’ity taona ity ihany koa. Lasa ekipa telo ahitana an’i Madagasikara, Ghana, Soudan sisa araka izany no hifaninana hiady ny tapakila hiatrehana ny dingan’ny ampahefa-dalana. Aorian’ny lalao hihaonan’ny Barea sy Ghana rahampitso, manana herinandro indray ny Malagasy ahafahana manomana sy mifantoka ny lalao hihaonana amin’i Soudan, izay hatao ny 23 janoary 2023. Andrasana kosa izay mety ho fiovan-kevitra tampoka ho an’ny Maraokana amin’ny hiatrehana na tsia tanteraka ny fifaninanana.
Etsy ankilany, efa vonona tanteraka ny ekipam-pirenena malagasy izay tarihin’ny mpanazatra Romuald Rakotondrabe na i Rôrô hiatrika ny fifaninanana. Izy ireo izay tsy nitsahatra nanomana sy nanao fanazaran-tena taorian’ny nahazoana ny tapakilan’ny dingana famaranana amin’ny Chan. Efa nahavita lalao ara-pirahalahiana miisa efatra ny Barea, ny roa notontosaina teto an-tanindrazarana raha toa ka tany Tonisia ny lalao roa. Tsara ny vokatra tamin’ireo lalao fanomanana ireo amin’ny ankapobeny. Nahatafiditra baolina miisa efatra ny Barea A’, nidiram-baolina iray, ary nanao ady sahala iray. Isan’ireo ekipa goavana ao anatin’ny vondrona ihany koa izy ireo amin’ity Chan hatao any Alzeria ity. Tsy nanano sarotra azy ireo ny niatrika ny dingana voalohan’ny fifanintsanana, rehefa nandresy indroa miantoana ny Piratin’i Seychelles tamin’ny fitambaran’isa 4 no ho 0 (1 no ho 0 lalao mandroso, 3 no ho 0 lalao miverina). Teo amin’ny dingana faharoa amin’ny fifanintsanana no nahazoana ity tapakila ity rehefa avy nandavo ny Zebra an’i Botswana tamin’ny isa 1 no ho 0 tamin’ny lalao mandroso, raha toa ka nirava ady sahala 1 no ho 1 kosa ny roa tonta tamin’ny lalao miverina. Marihina fa ao amin’ny kianja Chahid- Hamlaoui, Constantine no hifanandrina ny vondrona C amin’izao lalaom-bondrona izao.



