Fanatanjahan-tenaSongadim-baovao

CHAN 2024 : Mila mandresy an’i Rép. Centrafrique sy Burkina Faso ny Barea

Fahefatra vonjimaika ao amin’ny vondrona B misy azy ny Barea an’i Madagasikara. Tanzanie manana isa 9 no mitarika ao amin’ny vondrona B, manaraka azy i Mauritanie manana isa 4, Burkina Faso manana isa 3, Madagasikara kosa isa 1 ary Rép. Centrafrique tsy mbola manana isa.

Raha tsiavihina ny dingana nolalovan’ny Barea an’i Madagasikara nandritra ity fifanintsanana ity dia, nahavita nitana sahala 0 no ho 0 tamin’i Mauritanie teo amin’ny andro voalohany, na dia nilalao folo aza nanomboka teo amin’ny minitra faha-39 noho ny karatra mena azon’i Dax. Ary lavon’i Tanzanie 2 no ho 1 teo amin’ny andro faharoa.

Mila mandresy an’i Rép. Centrafrique, araka izany, ny Barea an’i Madagasikara anio amin’ny 05 ora eo amin’ny andro fahatelo ary Burkina Faso eo amin’ny andro fahaefatra ny faha-16 aogositra 2024. Miankina tanteraka amin’ny vokatra azon’i Mauritanie sy Burkina Faso anefa ny fiakaran’ny Barea an’i Madagasikara eo amin’ny dingana manaraka.

Raha ny filaharana vonjimaika isam-bondrona amin’ity CHAN 2024 ity dia, mitarika ao amin’ny vondrona A i Kenya manana isa 7. Tanzanie mitarika ao amin’ny vondrona B manana isa 9, izay nahita fandresena in-3. Ouganda manana isa 6 no mitarika ao amin’ny vondrona C. Soudan manana isa 4 kosa no mitarika ao amin’ny vondrona D.

Njaratiana.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer