
Fanatanjahan-tenaSongadim-baovao
CHAN 2024: Tafita amin’ny ampahefa-dalana ny Barea raha mandresy an’i Burkina Faso
Hiatrika ny ampahefa-dalan’ny CHAN 2024 ny Barea an’i Madagasikara raha maharesy an’i Burkina Faso ny sabotsy 16 aogositra 2025 izao amin’ny 8 ora alina. Nahavita nandavo an’ i Rep. Centrafrique ny Barea an’i Madagasikara teo amin’ny andro fahatelo eo amin’ny fifanintsanana isam-bondrona amin’ny CHAN 2024.
Raha hiverenena ny lalao nihaonan’ny roa tonta, vao nanomboka dia nifamaliana ny fanafihana. Samy nanana fotoana tokony nampidiram-baolina ny andaniny sy ny ankilany. Mafimafy ny fifandonana teny ambony kianja ka maro ny karatra mavo nomen’ny mpitsara nandritra izany, anisan’ny nahazo an’izany i Dax teo amin’ny minitra faha-22. Voatery nihafihafy indray izy nanomboka teo mba hisoroana ny karatra mena indray. Ho an’i Rép. Centrafrique kosa dia vao nanomboka 6 minitra dia nahazo karatra mavo i F. Yangao laharana fahatelo ary i B. Namngbena teo amin’ny minitra faha-29.
Nisaraka 0 no ho 0 ny fihaonan’ny roa tonta nandritra ny 45 minitra voalohany. Voatery nanova fomba fiady ny mpanazatra ny Barea an’i Madagasikara Romuald Rakotondrabe mba ahitana fandresena. Tsy maintsy nanala ireo mpilalao teo afovoan’ny kianja sy ireo mpanafika izy, ary nampiditra ireo manana aimbao. Niova tanteraka ny endriky ny lalao nanomboka teo. Tany amin’ny minitra faha-78 nampiditra indray an’i Toky Rakotondraibe, izay nahatafiditra ny baolina voalohany ho an’ny Barea an’i Madagasikara teo amin’ny minitra faha-84. Tsy nihonona tamin’io isa io anefa ny mpilalao ka mbola nahatafiditra baolina iray indray i Lalaina Cliver Rafanomezantsoa teo amin’ny 90+4.
Araka izany, mitarika vonjimaika ao amin’ny vondrona B, i Tanzanie manana isa 9 naharesy in-3 nisesy. Faharoa i Mauritanie manana isa 7, izay naharesy an’ I Burkina Faso teo amin’ny lalao farany nataony. Fahatelo ny Barea an’ i Madagasikara manana isa 4, izay mbola hifandona amin’ny Burkina Faso eo amin’ny andro faran’ny fifanintsanana raha toa ka hifanandrina amin’I Tanzanie i Rep. Centrafrique. Voafidy ho mpilalao mendrika nandritra ny lalao ny mpiandry tsatoby ny Barea an’i Madagasikara, Ramandimbisoa Toldo Michel, izay efa nahazo izany nandritra ny fihaonana tamin’ny Mauritanie. Izy moa dia nahavita nanakana baolina maro nataon’ny Rep Centrafrique.
Nisy fivoarana be ny lalao notanterahin’ny Barea an’i Madagasikara tamin’ity fihaonana tamin’ i Rep. Centrafrique ity. Vitsy ny baolina very, maro ireo baolina tokony ho tafiditra fa tany amin’ny famaranana no nisy lesoka.
Njaratiana.




