Fanatanjahan-tenaSongadim-baovao

CHAN 2024 : Vonona handresy ny « Les Etalons » ny Barea anio

Hifandona amin’ny « Les Etalons » an’i Burkina Faso ny Barea an’i Madagasikara anio amin’ny 8 ora alina eo amin’ny fifanintsanana isambondron’ ny fiadiana ny amboaran’ny CHAN 2024 ao amin’ny Vondrona B. Kihon-dalana ho an’ny Barea an’i Madagasikara ity fifandonana amin’ny « Les Etalons » an’i Burkina Faso ity. Mila mivoaka mpandresy ny Barea mba hiakarana any amin’ny ampahefandalan’ny CHAN 2024.

Raha tsiahivina ny filaharana vonjimaika ao amin’ny vondrona B dia, mitarika amin’ny isa 9 i Tanzanie, manaraka azy i Mauritanie amin’ny isa 7 izay efa nahavita tanteraka ny lalao fifanintsanana isambondrona. Manana tombony arak’izany ny Barea an’i Madagasikaran izay mbola manana lalao iray ho atao an’io, izay manana isa 4 ankehitriny. Raha maharesy an’i Burkina Faso anio dia hanana isa 7 ihany koa saingy manana tombiny eo amin’ny baolina nampidirina sy tafiditra tao anaty harato mihoatra amin’i Mauritanie. Raha hiverenana kosa ny dingana nolalovan’ ny Barea an’i Madagasikara tamin’ity CHAN 2024 ity dia, nisaraka sahala 0 no ho 0 tamin’ i Mauritanie tamin’ny andro voalohany. Resin’i Tanzanie 2 no ho 1 ary nampiondrika 2 no ho 0 an’i Rep. Centrafricaine.

Misongadina aloha hatreto ireo mpampiantrano an’ity CHAN 2024 ity. Efa tafakatra hiatrika ny dingan’ny ampahefandalana mantsy i Tanzanie izay iray vondrona amin’ny Barea an’i Madagasikara. Kenya ihany koa dia tsara toerana ao amin’ny vondrona A, izay manana isa 7. Ouganda kosa dia manana isa 6 ao amin’ny vondrona C, izay hifandona amin’i Afrique du Sud ny alatsinainy izao.

Njaratiana

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer