PolitikaSongadim-baovao
CHRISTINE RAZANAMAHASOA: Ny TIM no lasa tena mpiaro azy
Ankoatra ilay fanambarana an-tsoratra navoakany ny marainan’ny alakamisy teo, dia tsy mbola naharenesam-peo momba iny raharaha fitsipaham-pitokisana ny Governemanta iny mihitsy hatreto Ramatoa Christine Razanamahasoa. Fahanginana lalina izay mampametra-panontaniana ny mpanara-baovao.
Ny taona 2009 taorian’ny tolona ho an’ny fanovana notarihin’ny filoha Andry Rajoelina no nahalalana izany Christine Razanamahasoa izany. Izy no notendren’ny Filoha ho Minisitry ny Fitsarana tao anatin’ireo Governemanta Tetezamita. Nandritra ny Fitondrana Rajaonarimampianina dia Solombavambahoaka voafidy tamin’ny lokon’ny “Mapar” izy ary efa natolotra ho Filohan’ny Antenimieram-pirenena saingy naongan’ny ekipan’ny HVM sy ny TIM. Ny taona 2018 dia natolotry ny Filoha Andry Rajoelina ho isan’ireo handrafitra ny Governemantan’ny fiaraha-mitantana i Christine Razanamahasoa, ka notendrena ho Minisitry ny Fanajariana ny tany. Ny fiarahany tamin’ny Filoha Andry Rajoelina no isan’ny mbola nahavoafidy azy ho solombavambahoakan’i Madagasikara ao amin’ny Distrikan’Ambatofinandrahana. Mbola io fisalorany ny lokon’ny “miaraka amin’i Andry Rajoelina” io koa no naha vehivavy voalohany Filohan’ny Antenimieram-pirenena azy teo amin’ny tantaram-pirenena efa ho efa-taona izao. Ny talata 6 desambra 2022 teo anefa dia ny anaran’i Christine Razanamahasoa no re niverimberina fa nitarika ny fanangonan-tsonia ho fitsipaham-pitokisana ny Governemanta Ntsay Christian. Ny resaka niparitaka tamin’ny tambazotran-tserasera iny alina iny ihany, izay niaraka tamina andian-tsary, avy eo notaterin’ny ankamaroan’ny gazety mpiseho isan’andro dia nilaza avokoa fa tao amin’ny biraony amin’ny maha filohan’ny antenimiera azy no nanangonana ny sonia. Ireo mpanao gazety rehetra izay niezaka ny naka ny heviny hatreto tsy nisy nahazo.
Miray tendro amin’ny mpanohitra ve ?
Ankoatra ilay fanambarana an-tsoratra navoakany ny marainan’ny alakamisy, dia tsy mbola naharenesam-peo momba iny raharaha fitsipaham-pitokisana ny governemanta iny mihitsy hatreto Ramatoa Christine Razanamahasoa. Fahanginana lalina izay mampametra-panontaniana ny mpanara-baovao. Ankoatra ireo solombavambahoaka IRD toa an’i Paul Bert Rahasimanana voafidy tao amin’ny boriborintany faha efatra izay nanao fanambarana miaro azy sy ny fikambanan’ny zanaky ny faritanin’i Fianarantsoa (FIZAFAFI), dia ireo solombavambahoakan’ny Antoko Tiako i Madagasikara (TIM) hatreto no miaka-tsehatra miaro ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena. Loha-lisitra amin’ireo ny solombavambahoakan’i Madagasikara voafidy tao amin’ny boriborintany voalohany Hanitra Razafimanantsoa. Manampy azy ny solombavambahoakan’i Madagasikara voafidy tao Ambatondrazaka Fidele Razarapiera, izay miara-manentana ny fandaharana miara-manonja. Fifandrifian-javatra ve sa tena nanjary miray tendro amin’ireo olon’ny filoha teo aloha Ravalomanana ireo sy ny antoko TIM mihitsy Ramatoa Christine Razanamahasoa anatin’izao raharaha izao ? Dia ho sanatria ve dia tena namadika ireo mpiara-mitolona aminy hatramin’ny taona 2009, fa indrindra ny Filoha Andry Rajoelina ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena ?
Ny Fanoratana.



