Songadim-baovaoSosialy

CISCO ATSIMONDRANO: Manamafy ireo fitakiana ho fanavaozana ny fanabeazana

Nanatanteraka hetsika tamin’ny alakamisy lasa teo ireo mpampianatra sy mpandraharaha avy ao amin’ny fari-piadidiam-pampianarana Antananarivo Atsimondrano, ho fanehoan’izy ireo fa miombona ary miara-mientana amin’ny tolona sy fitakiana iarahana amin’ireo mpanabe rehetra manerana ny Nosy. Tamin’izany indrindra no nanamafisan’izy ireo ny fitakiana ho fanavaozana ny fanabeazana eto Madagasikara. Tafiditra ao anatin’izany ny fandraisana ho mpiasam-panjakana faobe ireo mpampianatra rehetra nivoaka avy amin’ny CRINFP, ny ENS ary ireo mpampianatra FRAM rehetra ao amin’ny Cisco Atsimondrano. Eo koa ny fitakiana ho fampiakarana ny karama sy ireo tombontsoa izay tsy mifanaraka intsony amin’ireo zava-misy iainana amin’izao fotoana. Fanafainganana ireo fitakiana izay tsy mila “loi de finance” toy ny “intégration”, “avancement automatique”, ary ny «décoration» sy ny «distinction honorifique» ho an’ireo mpampianatra sy mpandraharaha efa be traikefa. Nanamafy ny fitakiana mahakasika ny tsy hampidirana ny lafiny politika amin’ny fitantanan-draharaha moa ireo tompon’andraikitry ny fanabeazana ao amin’ny Cisco Atsimondrano ireo. Noho izany indrindra dia nangataka izy ireo fa olona manam-pahaizana mivoaka avy amin’ny fanabeazana ihany no tokony ho Minisitry ny Fanabeazam-pirenena. “Vonona tanteraka handray anjara ary handroso ihany koa vahaolana ho an’ny fanabeazana izahay, maneho fa ny Cisco Atsimondrano dia miray hina”, hoy hatrany ny fanambarana.

S.S

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer