PolitikaSongadim-baovao
CITE YLANG YLANG, EPP MANARA-PENITRA… : Fotodrafitrasa maro notakanan’ny Filoha tao Nosy Be
Rehefa manao filankevitry ny minisitra amin’ny tanana, na distrika, iray ny governemanta dia mijery ifotony ireo fotodrafitrasa mampijaly ny vahoaka sy ny tokony hatao. Inona ny asa efa vita, ary inona no mbola tokony hatao ? Raha ny ao Nosy Be manokana, efa mazava ny lalana, ary efa vitantsika koa ny lalana amin’ny fanovana, amin’ny fampandrosoana, ny fizorana mankany amin’ny moderina an’ity Nosy Be ity. Araka izany, nisy ny fitokanana ny « cité Ylang Ylang » tao Nosy Be omaly. Tsy voalohany io sady tsy farany, satria io « cité » io dia mirindra ary 80 ny isan’ny olona misitraka izany. Ao anatin’izy io dia natao hoe inona no tena mety ho an’ny fianakaviana anankiray. Manana safidy ny olona voasarika sy hahazo azy. Voaloahany, azony tonga dia aloany daholo ilay vola raha manana fahafahana amin’izany izy, dia tsy misy zanabola, na aloany mandritra ny 60 volana na 5 taona tsy misy zanabola, fa aloany tsikelikely ihany koa, na aloany ao anatin’ny 10 na 15 taona. Amin’izay fotoana izay, dia tsy maintsy maka vola any amin’ny banky ary somary misy zanabola.
Nasongadin’ny Filoha fa ny sokajin’olona rehetra ao Nosy Be miala any amin’ny Mpitondra bajaj, mpivarotra, mpiasam-panjakana, na ireo olona mila ravinahitra any ivelany, dia omena ny anjara sahaza azy koa mba hanatanteraka ny nofinofin’izy ireo. Ho afaka manorina, afaka manangana trano eto Nosy Be.
Izao ary no ataontsika, hoy izy, satria efa fantako fa liana ianareo. Ianareo manko efa misy mangasiasy hoe tsara ilay trano Atoa Filoha, fa izahay ohatran’ny mba te hahazo fa tsy nahazo. Tsy niolaka ny Filoha nilaza fa misy tany maromaro izay efa nofaritana tao amin’ny filankevitry ny minisitra omaly, tao Nosy Be. Izany hoe, ity Nosy Be ity no atao fitaratra amin’ny fampandrosoana, amin’ny resaka fananganana trano manerana an’i Madagasikara.
Notokanana ny EPP Djabala…
Ankoatra izay, notokanan’ny Filoha koa ny EPP manarapenitra ao Djabala ho an’ny mpianatra, omaly. « Raha ny fampandrosoana eto Nosy Be no fintinina, dia tsotra. Ho an’izay tsy mahita dia minia mikipy, ho an’izay tsy mandre, dia efa marenina angamba, ho an’izay tsy mahita dia efa jamba », hoy ny Filoha Andry Rajoelina. Na mikipy aza ny masonao, nandeha tamin’ny lalana Hell-Ville mandra-pahatonga tany Andilana, dia henonao sy tsapanao fa tena ratsy tokoa iny lalana iny teo aloha. Tsy afaka nandeha intsony ny bajaj. Ankehitriny anefa, izany lalana izany dia sady misy angesony mampiavaka azy tsara. « Anisan’ny zavatra ho atao ao Nosy Be, tsy ny EPP ihany fa hanangana Oniversite koa ny Fanjakana, izay hatao ao Madiro. Tsy mila mankany Antsiranana, tsy mila mankany Antananarivo fa eto Nosy Be ihany zanantsika no mianatra. Eto ihany milofo fianarana izy satria ataontsika mahaleo tena tanteraka i Nosy Be », hoy izy hentitra.
Rado Harivelo




