PolitikaSongadim-baovao

« CODE MUNICIPAL D’HYGIENE » : « Rehefa tsy diso ianao dia tsy voasazy », hoy ny Ben’ny tanàna

Nandritra ny fandaharana manokana niarahany tamin’ny mpanao gazety, omaly, no nanambaran’ny Ben’ny tanànan’Antananarivo, Naina Andriatsitohaina, ny lalantsaina nentina nanatsara ny fehezam-pitsipika monisipaly misahana ny fikoloampahasalamana na ny « Code Municipal d’Hygiène (CMH)». Nilaza ny tenany fa tsy namaky akory izay voalazan’ny CMH ny ankamaroan’ny olona fa namaky izay voalazan’ny Facebook, hany ka manao dika vilana izay tena voalaza marina. Nosinganiny manokana tamin’izany fa hafangaron’ny olona ny atao hoe « Lamandy » sy ny « Hetra ». Izany hoe, rehefa misy fahadisoana natao izay vao misy ny lamandy. Ohatra amin’izany ny mahakasika ny fiompiana alika niteraka resabe. Nambarany fa rehefa miverimberina ny tabataba ataon’ilay alika vao hisy sazy mety ho azon’ny tompony satria fanankorotanana ny manodidina izany. Nahitsy ny Ben’ny tanàna nilaza fa “rehefa tsy diso ianao dia tsy voasazy”.

Tsy hampiharina avy hatrany

Voafehin’ny lalàna ny asan’ny ben’ny tanàna, hoy izy. Dikany, tsy afaka ny hanao izay zavatra hafa na asa hafa ivelan’izay efa voafaritry ny lalàna ny tenany. Mahakasika io CMH io, ny lafiny fanadiovana no anisany fanovana natao, teo koa ny fanariana fako, fampiasana ny lalana amin’ny tombontsoa manokana, sy ny sisa. Isika mila mahatsapa fa renivohitra I Antananarivo, ary tokony ho modely. Mila mamerina ny fifanajana sy mametraka fitsipika isika, hoy izy. Nomarihiny kosa anefa fa tsy hampiharina avy hatrany ity CMH ity. Mbola hisy fepetra raisina mialohan’ny hampiharana azy, toy ny fananganana fotodrafitrasa maro, hahafahan’ny vahoaka manaraka ny fitsipika. Tafiditra ao anatin’izany ny tsena, WC publique 50 isa, sy ny sisa.

32 lavitrisa

Handeha tsikelikely ny fanatsarana ny tanàna, hoy ny Ben’ny tanàna. Tsy vita iray andro, ohatra, ny famindrana mpivarotra. Tsy maintsy misy foana ny fifampiresahana. Na izany aza, efa handeha ny tolobidy amin’ny faran’ny volana oktobra amin’ny fanaovana tsena. Nitsotra ny Ben’ny tanàna fa ratsy lavitra noho ny noeritreretina ny zavanisy teo anivon’ny Kaominina tamin’ny fotoana nandraisany ny fitantanana. Tsy maintsy nanatsara izany ny kaominina, indrindra teo amin’ny lafiny fitaovana. Nandalo krizy koa anefa ny firenena. Na izany aza anefa, efa mahatratra 32 lavitrisa ariary ny fanampiana azo, avy amin’ireo mpiara-miombon’antoka isan-tsokajiny, izany hoe mihoatra lavitra noho ny tetibolan’ny kaominina tamin’ny taondasa. Izany dia hampiasaina amin’ny fampitaovana dabam-pako 5 000 isa any amin’ny fokontany isanisany, borety, kifafa, sy ny sisa. Eo koa ny fanamboarana ny CSB, izay efa nanokanana tetibola. Efa ho vita koa ny trano handraisana ireo tsy manan-kialofana.

Fermer