
Songadim-baovao
Covid-19 endriny vaovao – andiany faharoa : Akatona i Nosy Be sy Mahajanga, mandray mararin’ny Covid ny CSB II rehetra
Manoloana ny fahatongavan'ny Covid-19 amin’ny endriny vaovao, andiany faharoa, dia nisy ny fepetra nolazain'ny Filohan'ny Repoblika, ny sabotsy lasa teo, fa akatona i Nosy Be sy Mahajanga. Mandray mararin'ny Covid ny CSB II rehetra. Na izany aza, mitohy ny fizarana ny CVO eny anivon'ny fokontany, indrindra amin'ireo Faritra dimy. Fanadihadiana...

Tafiditra tanteraka ao anatin’ny andiany faharoa i Madagasikara, momba ny ady amin’ny valanaretina coronavirus. Nambaran’ny Filohan’ny Repoblika, Andry Rajoelina nandritra ny tafa nivantana tamin’ny vahoaka malagasy, ny sabotsy lasa teo, fa efa hita eto amintsika ilay coronavirus amin’ny endriny vaovao avy atsy Afrika Atsimo. Nasongadiny fa olona fito no efa fantatra fa mitondra izany. Faritra dimy no tena voakasiky ny valanaretina ary ahitana tranga betsaka indrindra : Analamanga, Boeny, Atsinanana, Diana ary Sava. Isan’ny nandrasan’ny maro ny resaka fihibohana, izay tsy misy aloha hatreto. Mba hifehezana ny valanaretina, dia misy ireo karazana fepetra noraisin’ny Fitondram-panjakana. Mikatona tanteraka ny ao Nosy Be sy Mahajanga mandritra ny 15 andro noho ny fahitana ny « variant Sud-Africain » any an-toerana. Nambaran-dRakotomalala Dina Hariniry, Tale jeneralin’ny Fitaterana fa « ho tohin’ny fanambarana nataon’ny Filoha, momba ny sidina an’habakabaka miditra ao Nosy Be dia miato manomboka ny 27 marsa hoavy izao, mandritra ny 15 andro. Miato koa ny sidina anatiny manomboka ny talata hoavy izao.Noho izany, dia rahampitso ny sidina atolotry ny Kaompania Tsaradia farany aloha. Ho an’i Nosy Be sy Mahajanga dia voakasika koa ny fitaterana an-tanety manomboka ny talata hoavy izao, na ho an’ny fiara tsotra na ho an’ny fiara fitateram-bahoaka, dia tsy mahazo mivezivezy ». Nohitsiny fa tsy tafiditra ao anatin’izany kosa, ny fiara fitaterana entana.
Ho an’ireo marary kosa indray, raisin’ireo CSB rehetra manerana ny Faritra ahitana ny soratr’aretina. Ireo olona manana soratr’aretina, dia omena avy hatrany ny fanafody sy ny fitsaboana rehetra ilaina momba izany, izay tsy maintsy ahitana CVO+ sy « Azythromicine » ary ireo fanafody mampitombo ny hery fiarovana. Mandray ireo marary avy hatrany koa ireo Hopitaly manara-penitra rehetra manerana ny Nosy. Singanina manokana ny etsy Andohatapenaka, Anosiala, ny etsy amin’ny HJRA, ny etsy amin’ny HJRB, ary ny ao Fenoarivo. Momba ny resaka fitiliana, ho an’Antananarivo dia eny amin’ny HJRA sy Village Voara, ary ireo hopitaly manara-penitra sy CHRD isaky ny renivohi-paritra.
Tsy ihanahan’ny aretina…

Manomboka izao, raràna ny famoriam-bahoaka mihoatra ny 200. Ny fifaninanana ara-panatanjahantena rehetra dia tsy azo asiana mpanatrika, ankoatra ireo izay mahazo fahazoan-dalana manokana ka tanterahina ankalamanjana. Ferana ho 10 no isan’ireo afaka mandevina raha toa ka matin’ny Covid-19 ilay maty. Arahina ny fivezivezen’ny mponina anaty fiara fitateram-bahoaka. Hozaraina isaky ny fokontany ny tambavy CVO enti-misoroka sy manampy ny hery fiarovana. Omena alalana hividy CVO+ eny amin’ny Pharmalagasy ireo minisitera isan-tokony. Hiverina hiasa ny BIS (Bataillon Spécial d’Intervention) amin’ny fakana ireo marary. Tafiditra ao koa ny fitsidihana any an-tokantrano ary ny fanaraha-maso ireo marary na amin’ny alalan’ny antso an-tariby na amin’ny alalan’ny fihombon’ny aretina.
Averina hampiasaina ny Vovonana COVDATA, hanarahana sy hamaritana ireo toerana afa-mandray marary sy ny fivoaran’ny toe-pahasalamana ary ny fiparitahan’ny valanaretina eto Madagasikara. Haverina ny fiaraha-miasa amin’ireo mpitsabo tsy miankina ao anatin’ny Holafitry ny Mpitsabo amin’ny fizahana ny marary, ny fanaraha-maso ireo marary mijanona any an-tranony ary ny fitsaboana amin’ny alalan’ny antso an-tariby. Tsy mbola misokatra amin’ireo mpizahatany sy ireo olona avy amin’ireo Firenena tena atahorana any ivelany i Madagasikara. Mbola mitoetra avokoa ireo fepetra izay napetraka tany aloha, ary tsy nasiam-panafoanana manodidina ny fihanaky ny valanaretina Covid-19. Ho an’ireo mpanakanto kosa, dia nilaza ny Filoha, fa hojerena miaraka amin’ny minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina ny momba azy ireo manokana. Manentana ny rehetra hatrany, mba hanaraka sy hanaja ireo fepetra ara-pahasalamana. Hajaina hatrany ireo fepetra ara-pahasalamana, tsy maintsy manao arovava orona, ny fanasana tanana matetika, ny fanadiovana ny toeram-ponenana, ny fanadiovana sy fanondrahana fanafody ireo fiara fitateram-bahoaka.



