Songadim-baovaoSosialy

COVID-19 ETO ANALAMANGA: Haverina ny “Opération Coup de Poing” amin’ny famendrahana ranom-panafody

Manoloana ny fihanaky ny valanaretina covid-19 izay miha mahazo vahana eto Madagasikara, indrindra ny eto amin’ny Faritra Analamanga, fantatra fa haverina maneran’ireo Distrika fito eto amin’ny Faritra ny “Opération Coup de Poing”, famendrahana fanafody amin’ny toerana maro mpivezivezy. Hetsika izay eo ambany fiahian’ny Minisiteran’ny Rano, Fanadiovana sy Fidiovana.

Fomba iray nahafahana nifehy ny firongatry ny Covid-19 tany Toamasina, herintaona lasa izay ny hetsika “Opération Coup de Poing”, araka ny nambaran’ny Sekretera Jeneralin’ny Minisiteran’ny Rano, Atoa Simon Randriatsiferana. Ity farany izay nampahatsiahy fa nahitam-bokany tsara koa ity hetsika ity raha refesina tamin’ny fomba nentina nifehy ny andiany voalohany tamin’ny covid-19 izay namely mafy tany amin’iny Faritra Atsinanan’ny Nosy iny. Tsy afaka ny hitaza-potsiny ny toe-java-misy eto Analamanga amin’izao anefa ny Fanjakana, hoy ity tomponandraikitra ity, fa tsy maintsy mandray ny andraikitra tandrify azy.

Tsy niandry ela fa omaly maraina ihany dia efa natolotra  ny Tomponandraikitra teo anivon’ny Faritra Analamanga sy ireo Lehiben’ny Distrika fito hisitraka ny hetsika “Opération Coup de Poing”, ny anjara ranom-panafody ahafahany manomboka ny asa famendrahana. Tsiranoka “Virokil” 150 bidon no nozarain’ny Minisitera mpiahy, ka ny 10 bidon amin’ireo dia hijanona eo anivon’ny Birao foiben’ny Faritra Analamanga fa hahazo anjara 20 bidon avy kosa ireo Distrika fito, dia Antananarivo Atsimondrano, Antananarivo Avaradrano, Ambohidratrimo, Manjakandriana, Ankazobe, Anjozorobe ary ny Distrikan’Andramasina.

Paikady fisorohana ho an’ny Faritra hafa

Nantitranteriny hatrany fa santatra am-bavarano ihany ny eto Analamanga fa tsy maintsy hitarina any amin’ireo Faritra efa ahitana ny valanaretina ny “Operation Coup de Poing”. Nambarany ihany koa fa efa apetraka any amin’ireo Faritra mbola tsy ahitana ny covid-19 ny paikady ahafahana misoroka ny fidiran’ny valanaretina ao amin’ilay toerana. Mahatsiaro ho manana adidy amin’izao ady hiombonan’ny rehetra izao ny Minisitera, hoy izy, ary tsy afaka hanao ambanin-javatra ny fahadiovana sy ny fidiovan’ny vahoaka Malagasy izay mifototra betsaka amin’ny Rano.

Ao anatin’ny ezaka sy ny fanatanterahana ny velirano faharoa ny Filoha Andry Rajoelina  tokoa ny Minisitera ankehitriny, raha ny fanazavana nentiny. Velirano izay miompana amin’ny rano fisotro madio hoan’ny rehetra. Miasa ny Fanjakana ary hametraka vahaolana maharitra amin’ny tsy fahampian-drano indrindra fa eto afovoantany, hoy izy nanamafy, ary nambarany fa efa hivaha tsy hoela ny olan’ny rano eto andrenivohitra, forage miisa 46 no vinavinaina hapetraka amin’ity taona ity, raha toa ka efa miasa ireo UTC “Unité de Traitements d’eau Containerisé” sasantsasany sy ny maro hafa, izay an-dalam-pahavitana, araka ny fanazavany.

Sata (mpianatra asa) sy LR.

Fermer