Songadim-baovao

Covid-19 eto Analamanga : Nohamafisina ny fepetra arahina sazy

Nanatanteraka dinika ny teo anivon’ny Fitondram-panjakana, tamin’ny alalan’ny minisiteran’ny Fahasalamana, ny Prefektioran’ny Polisy ary ny avy amin’ny Kaominina Antananarivo renivohitra, momba ny fanamafisana ireo fepetra tsy hihanahan’ny valanaretina coronavirus, izay tsapa fa nanomboka niakatra ireo olona voany…

Hentitra ny fandraisana andraikitra iadiana amin’ny covid-19.

Nanatontosa valandresaka ho an’ny mpanao gazety ny avy eo amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny minisiteran’ny Fahasalamana ary ny Prefekitoran’ny Polisy omaly, izay natao tetsy amin’ny Lapan’ny tanàna Analakely. Antony sy ny votoatin-dresaka dia noho ny fiakaran’ny isan’ny olona voan’ny aretina covid-19 eto amin’ny Faritra Analamanga. Nisy, araka izany, ny dinika teo amin’ny Fitondram-panjakana sy ny Kaominina Antananarivo renivohitra, amin’ny fanamafisana ireo fepetra momba ny tsy fihanahan’ny  covid-19, izay tsy maintsy arahina ary hisy ny sazy mihatra. Manoloana izany, dia nisy ny didim-pitondrana laharana faha-03/2021- MID/Pref, izay navoakan’ny Prefekitoran’ny Polisy manambara izany, ahitana ny fepetra arahina eny an-tsena sy ao anatin’ny trano fivoriana ary ankalamajana,  indrindra ny fiara fitaterana. Napetraka koa ny fepetra arahina amin’ireo nodimandry voan’ny aretina covid sy ny sazy ho an’ny olona tratra tsy manao arotava. Nanamafy ny avy eo amin’ny Minisiteran’ny Fahasalamana fa ny CSB miisa 20 eto amin’ny Faritra Analamanga dia mandray an-tanana manokana ireo olona voan’ny aretina covid-19. Marihina fa ny CSB Namontana ihany koa dia natokana manokana ho an’ny mpiasan’ny Kaominina Antananarivo renivohitra, izay mety ho tratran’ny covid-19.

Fermer