Songadim-baovaoSosialy

COVID-19 ETO MADAGASIKARA: 1 501 ireo tranga vaovao nandritra ny herinandro, 16 no maty

Efa tena miverina tanteraka miaina ao anatin’ny Covid-19 ny eto Madagasikara, indrindra isika eto Analamanga, izay nahitana tranga 1 138. Tsy azo ihodivirana intsony, araka izany, ny fanajana fepetra. Ny Minisitry ny Fahasalamana rahateo efa nilaza, ny herinandro lasa teo, fa tsy safidy intsony amin’izao fotoana ny fanarahana ireo fepetra sakana, toy ny fanaovana arotava, fanasana tanana, ny fanajana enelanelana sy ny sisa, fa efa zavatra tsy maintsy atao.

Miakatra ny tarehimarika. Olona miisa 1 501 be izao no fantatra fa mitondra ny tsimokaretina Coronavirus teo anelanelan’ny 11 ka hatramin’ny 17 Desambra 2021 lasa teo. Ny 1 359 dia azo tamin’ny alalan’ny fitiliana niisa 8 908. Ny 142 kosa dia fantatra taorian’ny “tracing contact” nataon’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. Araka ny antontanisa nivoaka ny faran’ny herinandro teo ihany, niisa 107 ireo mbola anaty tranga misy fahasarotana, raha toa kosa ka efa tafiakatra 16 ireo lavon’ny valanaretina ao anatin’ny herinandro monja. Midika izany fa tena efa miverina eto amintsika tanteraka ny valanaretina.

Mila hamafisina mifanaraka amin’izay ihany koa ny fitandremana, indrindra ho antsika eto amin’ny Faritra Analamanga. Ity farany izay nahitana tranga vaovao miisa 1 138, araka ny tatitra hatrany.  Manaraka azy kosa i Vakinankaratra izay nisy tranga 143, Matsiatra Ambony 52, Vatovavy sy Fitovinany 41, Atsimo Andrefana 30, Diana 20, sy ireo sisa hafa. Hatreto izany, miisa 996 ny fitambaran’ireo efa lavon’ny Covid-19 teto amintsika.

“Fahamailoana ara-pahasalamana”

Hatreto,  mbola Faritra vitsivitsy ihany no tena mampihanaka ny valanaretina Covid-19. Mbola tsy tonga amin’ny dingana hanaovana fahamehana ara-pahasalamana isika, araka izany, hoy ny Mpitondra tenin’ny Governemanta, sady Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Lalatiana Andriatongarivo, ny faran’ny herinandro, raha nitondra fanazavana mahakasika ilay fanapahankevitry ny Filankevitry  ny Minisitra ny herinandro teo. Tsy mbola miroso amin’ny fepetra fihibohana isika, na ihany koa fanakatonana Faritra, sy ny sisa. Izany kosa anefa dia miankina amin’ny fanajan’ny rehetra ireo fepetra sakana rehetra voalaza, hoy izy. Dikany, miankina betsaka amin’ny olom-pirenena ny hivadihana mankany amin’ny Hamehana ara-pahasalamana na tsia, araka ny nambarany omaly.

Ilàna fanajana fepetra ny “Fahamailoana ara-pahasalamana”, hoy izy. Tafiditra ao anatin’izany ny fanaovana arotava, ny fanasana tanana, ny fanajana ny elanelana iray metatra. Notsindriany manokana fa tsy mbola nandraisana fepetra mihitsy ny trano fiangonana noho ny fetin’ny noely sy ny faran’ny taona izay ho avy. Betsaka, hoy izy, ny fangatahana azo ny amin’ny tokony hankalazana ireo fety ireo any am-piangonana, ka dia tsy norarana izany. Saingy, tsy maintsy manaja ireo fepetra ara-pahasalamana voalaza rehetra kosa ny tomponandraikitra isam-piangonana. Ary koa, tsy maintsy fendrahana ranom-panafody ny fiangonana mialohan’ny fotoam-bavaka. Hajaina ny elanelana sy ny fanaovana arotava ao am-piangonana, ary tsy mifandray tanana.

Fermer