KolontsainaSongadim-baovao
CSB II ANTSAHALALINA : Nohavaozina hanana endrika tsara tamin’ny alalan’ny Tagnamaro
Kaominina Antsahalalina, Distrikan’i Manjakandriana, tany indray no niarahan’ny ekipan’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina notarihin-dRamatoa Minisitra Lalatiana Rakotondrazafy, manohy ny fizarana sy ny fampahafantarana ny lalan-tsaina fonosin’ny Tagnamaro, amin’ny alalan’ny fampandraisana andraikitra ny olom-pirenena. Niarahana nikatroka tamin’izany ny fanatsarana sy fanavaozana ny CSB II izay mandray ireo marary ao amin’ity Kaominina ity sy ireo avy amin’ny Kaominina manodidina. Naverina nolokoina tanteraka ny vata-trano iray manontolo anatiny sy ivelany, nasiam-panajariana ihany koa ireo trano sy efitra rehetra fanampiny, toy ny lakozia iombonana sy trano fitobian’ny fianakavian’ny marary. Teo ihany koa ny fanamboarana ny fefy manodidina, fanoloana ny fanitso simba sy ny varavaran-kely.
“Tafita ny hafatra fonosin’ny lalantsain’ny Tagnamaro ary mahavelom-bolo hatrany ny fahitana ny fahavitrihan’ireo olom-pirenena mifarimbona mifanome tanana amin’ny fikojana fananana iombonana, raha ny tao Antsahalalina manokana”, hoy ny fampitam-baovao. Marihina fa nandray anjara tamin’ny hetsika ny Solontenan’ny mpiara-miasa eo anivon’ny Minisitera, ny mpiasan’ny CSB II, ny mpiasan’ny Kaominina, ny mponina manodidina, ary ireo tanora efa vonona ny handray andraikitra sahady.
Nohararaotin-dRamatoa Minisitra ny fotoana omaly nitondrana fanazavana tamin’ny vahoakan’Antsahalalina ny maha samy hafa ny Tagnamaro sy Asa Tagnamaro na HIMO (Haute Intensité de Main d’Oeuvre). Ity farany izay asa misy tambin-karama fa ny Tagnamaro kosa dia asa maimaim-poana ifandrimbonan’ny olom-pirenena. Nanentana izy mba hitafy an’ity lalan-tsaina ity ny vahoaka ka hotohizana amina fotodrafitrasa hafa.




