Trangam-piaraha-monina

DAHALO NIOVA FO NIVERIN-DALANA: Tompon’antoka tamin’ny famonoana ilay « Assistant parlementaire »

i Faradaly, isanireo dahalo niova fo, fa niverin-dalana

Nitrangana vono olona ny 22 jona 2020 tao amin’ny toerana atao hoe Befadika, any Ambohimahasoa, raha tsiahivina. Lehilahy iray no nindaosin’ny fahafatesana tamin’izany, fantatra fa « Assistant parlementaire » an’ny Solombavambahoaka voafidy tao an-toerana. Lehilahy iray 42 taona, isan’ireo dahalo niova fo herin-taona lasa izay, no io sarona noho ny tanana efa zatra mitsotra, tamin’ny fiandohan’ny herinandro lasa teo io. Nanjavozavo ny zava-nisy taorian’izay, saingy fantatra kosa fa vono olona no niseho. Nametraka fitoriana avy hatrany ny fianakavian’ny maty. Niseho tsikelikely ihany koa ny fitarainan’ny fokonolona amin’ny resaka tsy fandriam-pahalemana ao an-tanana. Nandeha mihitsy aza ny sion-dresaka mikasika ilay nahavanon-doza tamin’io famonoan’olona io, ka niroso tamin’ny fanadihadiana sy ny fikarohana ny nahavanon-doza ny teo anivon’ny Polisim-pirenena any an-toerana. Noho ny angom-baovao voarain’ny mpitandro filaminana dia voasambotra ny lehilahy iray 42 taona, antsoina hoe « Faradaly ». Tao amin’io tanàna io ihany no nahazoana ity lehilahy voalaza fa tompon’antoka tamin’ny nahafatesan’io Assistant parlementaire io. Raha ny fantatra, anisan’ireo dahalo niova fo ity nahavanon-doza, izay namaly ny antso tamin’ireny fotoana ireny, ary efa tapa-kevitra tsy hanao ireo karazana fomba ratsy mamoehitra anaty fiarahamonina intsony, no izao sarona teo am-piverenan-dalana izao indray. Ity farany, izay efa fanta-daza tamin’ny halatr’omby sy vono olona tany aloha. Nanentana hatrany ny mponina ao an-toerana ny eo anivon’ny Kaomisarià ao Ambohimahasoa, amin’ny hanomezam-baovao azy ireo, hahafahana manamafy sy mametraka fandriam-pahalemana hatrany.

Fermer