PolitikaSongadim-baovao
DELEGASIONA ANY EJIPTA: Resabe tiana hatavy ny tsikera ataon’ny mpanohitra
Raha toa ka ny adihevitra manodidina ny fomba hiatrehan’izao tontolo izao ny fiovaovan’ny toetr’andro sy ny fahasimban’ny tontolo iainana no ifantohan’ny mpanara-baovao rehetra ankehitriny, ny an’ny mpanohitra sasantsasany eto Madagasikara dia ny firafitry ny delegasiona mandray anjara amin’ny COP27 tarihin’ny Filoha Andry Rajoelina no olana goavana. Tsiahivina fa ankoatra ny minisitry ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovain-jafy sy ny minisitry ny fambolena sy fiompiana, dia anatin’ny delegasiona malagasy mandray anjara amin’io fivoriana an-tampony momba ny fiovaovan’ny toetry ny andro atao any Ejipta io koa ny minisitry ny serasera sy ny kolontsaina. Ary dia io maha ao anatin’ny delegasiona an-dramatoa Lalatiana Rakotondrazafy Andriatongarivo io indray ho an’ny olon’ny fanoherana no norohitina. Ireo mpanao politika miteny anatin’ireo fandaharana politika amin’ny onjam-peo akaikin’ny fanoherana ohatra dia nilaza fa “tokony ho ny minisitry ny rano no nandeha fa tsy ny minisitry ny serasera”. Ny hafa indray milaza fa “angamba mitady ny toeran’ny minisitry ny raharaham-bahiny ramatoa Lalatiana Rakotondrazafy Andriatongarivo.”
Dia ilaina ampahatsiahivina ve fa ny Filohan’ny Repoblika, amin’ny maha lehiben’ny delegasiona azy, no masi-mandidy amin’ny fanendrena ireo izay handrafitra ny delegasiona ho tarihiny ? Dia mbola ilaina hazavaina ve fa ny serasera dia mivelatra amin’ny sehatra rehetra ? io ilay antsoina amin’ny teny frantsay hoe “secteur transversal”, ka na ny ady amin’ny fiovaovan’ny toetry ny andro sy ny asa atao na koa ny fandresen-dahatra tokony hatao manodidina ny fomba hiatrehana izany dia ilana serasera avokoa. Angamba tsy ilaina tsiahivina intsony ny fitsipiky ny maha iray tsy mivaky ny governemanta (unité du Gouvernement), izay mametraka fa ny fanapahan-kevitra rehetra raisin’ny Governemanta dia iraisan’ny mpikambana ao aminy, ka feo tokana no entin’ny mpikambana rehetra anatin’ny Governemanta miady ho an’ny tombotsoa ambonin’ny firenena na aiza na aiza alehany. Dia mbola ilaina tsiahivina ihany koa ve fa ankoatra ny maha Minisitry ny Serasera sy Kolontsaina azy dia mpitondra tenin’ny Governemanta ihany koa ramatoa Lalatiana Rakotondrazafy Andriatongarivo ? Ary amin’ny maha mpitondra tenin’ny Governemanta azy dia manana adidy izy, ho fanajana ny zon’ny olom-pirenena hahalala, hizara amin’ny vahoaka Malagasy rehetra ny vaovao manodidina ireo asa ataon’ny Fitondram-panjakana rehetra ka isan’izany ny dia ataon’ny Filoha any ivelany.
Ho an’ireo olona akaiky an-dRamatoa Lalatiana Rakotondrazafy Andriatongarivo dia “efa tsy mahagaga intsony ny fanenjahana” atao ny minisitry ny serasera sy kolontsaina ataon’ny avy amin’ny fanoherana. “Efa hatramin’ny andro voalohany naha-voatendry azy ho mpikambana anatin’ny governemanta no nenjehina raha i Lalatiana Rakotondrazafy Andriatongarivo” hoy ireo mpiara-miasa aminy, “ka hatramin’ny androany”. Fanenjehena izay rehefa tena zohina anefa dia tsy misy fotony hijoroany akory hoy hatrany izy ireo. Tetsy ankilany, nodisoin’ireo mpiara-miasa akaiky amin’ny Minisitry ny Serasera sy Kolontsaina koa ny fivoizana na io amin’ny tambazotran-tserasera na amin’ny gazety sy haino aman-jery ny hoe “mikasa ny haka ny toeran’ny Minisitry ny Raharaham-bahiny ihany koa ny Minisitra Lalatiana Rakotondrazafy Andriatongarivo”.
Ny azo tsoahiny dia satria sady tsy manana tohan-kevitra tena hanoherana na hitsikerana ny politikam-panjakana entina miatrika ny fiovan’ny toetry ny andro, no tsy manana politika na planina aroso hasolo izay hananan’ny Fitondrana ankehitriny ireo milaza azy ho mpanohitra ankehitriny, dia tsy afaka miady hevitra amin’ny votoatin-dresaka ka any amin’ny zava-bitika toy ny firafitry ny delegasiona sisa no manovokovoka mitsikera.




