PolitikaSongadim-baovaoToekarena

DELEGASIONA TARIHIN’NY FILOHA ANY PARIS: Mandresy lahatra ireo Mpandraharaha vahiny ho avy eto Madagasikara

Nanomboka omaly tolakandro ny fihaonan'ireo mpandraharaha mivondrona amin'ireo firenena mampiasa sy miteny ny teny Frantsay tao amin'ny hippodrome Longchamp, tao Paris. Vahiny manan-kanja nandritra ity fihaonana ara-toekarena lehibe ity ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina. Ity farany, niaraka tamin’ireo delegasiona notarihiny, izay tsy nisalasala niantso ireo mpampiasa vola ao anatin’ireo firenena miteny frantsay ireo ho avy eto amintsika, mba hanaingana indray ny toekarena malagasy.

Ho an’i Madagasikara, izay sady mbola voasokajy ho isan’ireo firenena marefo no mbola nizaka betsaka ihany koa ny voka-dratsin’ny Krizy ara-pahasalamana noho ny Covid-19, dia anisan’ny sehatra laharam-pahamehana ny fahaleovantena ara-tsakafo, ny fampiroboroboana ny indostria sy famokarana eto an-toerana izay ilain’ny vahoaka Malagasy, ny famokarana angovo azo havaozina, ny fananganana fotodrafitrasa ho an’ny fahasalamana sy ny fanabeazana ary fanomezana ainga vao ny lazan’ny vokatra Malagasy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Anisan’ny nivoitra ireo tamin’ny fandraisam-pitenenan’ny Filoha Andry Rajoelina, nandritra ny fanokafanana tamin’ny fomba ofisialy ny fihaonamben’ireo mpandraharaha eo anivon’ny tany mampiasa sy miteny frantsay. Fihaonambe izay amin’ny andiany fahatelo ankehitriny.

Anisan’ny tanjon’ny fandraisan’anjaran’i Madagasikara amin’izao fihaonana goavana izao ny hanamafy ny paikady napetraky ny Fitondram-panjakana hitondra avo ny lazan’i Madagasikara sy ireo vokatra vita Malagasy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Notsipihan’ny Filoha Andry Rajoelina nandritra ny lahateny izay nataony fa anisan’ny miavaka ireo vokatry ny tany Malagasy ary misokatra amin’ny fiaraha-miasa sy fampiasam-bola samihafa i Madagasikara, nefa kosa mitaky fifandraisana sy fiaraha-miombona antoka ara-drariny, mitsinjo ny tombontsoan’ny andaniny sy ankilany izany. Niantso ireo mpandraharaha ao anatin’ireo firenena miteny frantsay ireo, araka izany, ny Filoha Andry Rajoelina, sy ireo Delegasiona notarihiny, ny ho avy hampiasa vola eto amintsika.

Fanarenana ara-toekarena

Mpandraharaha sy tompona orinasa lehibe miisa 600 mampiasa sy miteny ny teny Frantsay no mandray anjara amin’ity fihaonana ao Paris ity, ary 450 amin’izy ireo no avy any ivelan’i Eoropa. Anisan’ny lohahevitra hifanakalozan’izy ireo mandritra izany ny fanarenana ara-toekarena manoloana ny valanaretina Covid-19, ny sehatry ny agribusiness, ny famatsiam-bola sy ireo tetikasa lehibe, ny tontolo iainana sy ny toetrandro ary ny haitao ara-kajy mirindra. Any Paris kosa, miaraka amin’ny Filohan’ny Repoblika malagasy ireo Minisitra miisa 04 ao anatin’ny Governemanta ahitana ny Minisitry ny Asatanana sy ny Haitao, Ratsiraka Sophie, ny Minisitry ny Fizahantany Andrimandranto Joël, ny Minisitry ny Angovo sy ny Akoranafo, Ramaroson Andry ary ny Minisitry ny Raharaham-bahiny Rajoelina Patrick.

Ankoatra ireo, dia misy mpandraharaha malagasy miisa 44 isan’ireo delegasiona malagasy tonga miatrika an’ity fihaonamben’ny mpandraharaha amin’ny tany miteny Frantsay ity. Ao anatin’izany ireo vondrona mpandraharaha (Patronnats) toy ny GEL, SIM, GEFP…

Nambaran’ny Filohan’ny MEDEF (Mouvement des entreprises de France), Geoffroy Roux de Bézieuxy, nandritry ny fandraisam-pitenenany fa :  » ity hetsika ity no nahasarika fikambanana mpandraharaha be indrindra hatramin’izay nisian’ity fihaonambe ity  » . Ny tenany nilaza fa hotohizana, ary hatao isan-taona ity hetsika ara-toekarena lehibe ity.

Fihaonana tamin’ny mpandraharaha Belge

Tsara ho fantatra fa taorian’ny lanonam-panokafana tamin’ny fomba ofisialy ny fihaonan’ireo mpandraharaha mivondrona ao anatin’ireo firenena mampiasa sy miteny ny teny Frantsay (REF), dia nihaona tamin’ireo vondron’ireo mpandraharaha avy any Belgique, ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina. Mpandraharaha amina sehatra samihafa toy ny angovo, ny famokarana sôkôla, sy ny sisa hafa, no nifampiresaka tamin’ny Filoha Andry Rajoelina momba ireo mety ho fiaraha-miasa. Misy ireo orinasa lehibe ao Belgique no maniry hametraka ny sampan’izy ireo eto Madagasikara ary tsy nisalasala ny Filoha nanasa azy ireo ho avy eto amintsika.

Fermer