
Songadim-baovao
DEPIOTE ANYAH : Nanolotra jiro mandeha amin’ny masoandro miisa 207
Tonga nanolotra jiro mandeha amin’ny masoandro miisa 207 ho an’ny boriborintany fahatelo ny depiote Anyah, omaly maraina. Fokontany miisa 16 no hisitraka izany, enti-miady amin’ny resaka tsy fandriampahalemana, ho an’ireo heverina fa faritra mena…

Nambaran’ny depiote Anyah lany tao amin’ny boriborintany fahatelo omaly, tetsy Antaninandro fa « ny CLD izay azon’ny solombavambahoaka isan-taona, iaraha-miasa amin’ny distrika, iaraha-miasa amin’ny kaominina no hanatanterahana asa ». Nisy ny fanolorana jiro mandeha amin’ny masoandro 207 tamin’ny solombavambahoaka Anyah, izay azo avy amin’ny CLD 2019. Nambarany fa tohizana ny fanamafisana ny fandriampahalemana ao anatin’ny boriborintany fahatelo. Efa nisy ny hetsika nataon’ny Fitondram-panjakana tamin’ny alalan’ny fanaovana fisafoana amin’ny alina tontosain’ireo mpitandro filaminana amin’ny lalambe sy any anaty elakela-trano. « Nohamafisina tamin’ny fokontany vitsivitsy miisa 16 ao anatin’ny boriborintany fahatelo izany, amin’ny fanolorana ireo jirobe mandeha amin’ny herin’ny masoandro ireo, izay apetraka amin’ireo toerana nahazoana fitarainana marobe amin’ny resaka tsy fandriampahalemana », hoy izy. Tafiditra ao anatin’izany ireo toerana be mpanendaka sy mpanao sinto-mahery, izay notsinjovina manokana. Nosafidiana manokana, ireo jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro ireo, noho ny firongatry ny fanendahana sy ny hala-boty miseholany eny amin’ny fokontany sasantsasany. Isan’ireo nahazoan’ny solombavambahoaka fitarainana marobe avy amin’ny mpianatra izay mody hariva nefa iharan’ny fanendahana sy ny sinto-mahery.
Anampiana ny eny ifotony…

Nohamafisin’ny solombavambahoaka Anyah voafidy tao amin’ny boriborintany fahatelo hatrany fa tafiditra ao anatin’ny CLD 2019 koa ny fanamafisana ny biraom-pokontany, tamin’ny alalan’ny fanomezana varavarambe sy varavarankely miisa sivy ho an’ny fokontany miisa sivy ao anatin’ny boriborintany fahatelo hatrany. Navoitrany, fa marobe ireo taratasim-panjakana ao anatin’ny fokontany ka mila hamafisina ny fandriampahalemana momba ny biraom-pokontany. Tiana ny mampahatsiahy, fa ny CLD 2018, azon’ny solombavambahoaka Anyah, dia efa nanomezana ireo ordinatera ho an’ny biraom-pokontany tao anatin’ny boriborintany fahatelo. Efa nisy koa ny fanamafisana ny varavarankely sy varavarambe vy, mba hampihemotra ireo olon-dratsy. Antony nanolorana ireo jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro miisa 207, izay itsinjara amin’ny fokontany, heverina fa be elakela-trano sy maro mpanao sinto-mahery. Nampanantena ny Fitondram-panjakana fa hamerina ny jiro tsy mandeha rehetra ao any anelakela-trano rehetra any. Tombanana, araka izany, fa ireo fokontany mbola tsy nahazo ireto jiro ireto no ho laharam-pahamehana voalohany. Na izany aza, nanantitrantitra ny solombavambahoaka Anyah fa hisitraka izay famerenana jiro tsy mandeha rehetra ny fokontany 34 ao anatin’ny boriborintany fahatelo.



