PolitikaSongadim-baovao
DEPIOTE, SENATERA, GOVERNEMANTA, …: Mitsipaka ny fampiatoana ny zotram-pifidianana
Na ireo Solombavambahoaka maro an’isa, na ireo Loholona maro an’isa dia samy mitsipaka ny fitarihan-dRamatoa Razanamahasoa Christine ny firenena hivoaka ny voalazan’ny Lalàmpanorenana, amin’ny alalan’ny fanafoanana ny fifidianana amin’ny 16 Novambra izao. Nanamafy izany koa ny Governemanta izay namaky bantsilana ny fanaovan’ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena fanonganam-panjakana ataona andrimpanjakana. Marihina fa ny mpanara-maso fifidianana iraisampirenena dia efa eto amintsika ankehitriny vonona hanaraka akaiky ny fizotry ny fifidianana afaka andro vitsy.
Teboka lehibe miisa enina no nambaran’ireo Solombavambahoaka maro an’isa anaty vondrona parlemantera IRD eo anivon’ny Antenimierampirenena, omaly, manoloana ny fiantsoana fangatahana fampitsaharana ny zotram-pifidianana nambaran’ny Filohan’ny Antenimierampirenena (PAN) Razanamahasoa Christine, sy ireo mpitondra fiangonana, ny alakamisy lasa teo. Voalohany amin’izany ny fanamelohan’izy ireo iny antso natao angatahana fampitsaharana ny zotram-pifidianana iny. Mamoaka ny firenena anatin’ny lalàmpanorenana izany, ary midika fanonganam-panjakana ka tsy azo ekena na amin’ny fomba ahoana eto amin’ny firenena, hoy izy ireo. Manameloka ny fampiasan-dRamatoa Filohan’ny Antenimierampirenena izay rafitra mpanao lalàna. « Tsy manana andraikitra fanelanelanana hitadiavana tetezamita ny Andrimpanjakana tahaka itony, ary raha te hanao izany izy dia tokony amin’ny anaran’ny tenany manokana fa tsy amin’ny anaran’ny Antemimerampirenena velively ». Fahatelo, tsy manaiky ny fampiasana ny anarana sy ny fitombokasen’ny Antenimierampirenena amin’ny antony tsy mifandraika amin’ny asa fanaovan-dalàna nankinin’ny lalàmpanorenana amin’izany Andrimpanjakana izany, izy ireo. Miantso an-dRamatoa Filohan’ny Antenimerampirenena hampitsahatra tsy misy hatak’andro ny fampiasana ny fitaovam-panjakana sy fahefam-panjakana ho amin’ny kajikajy politika manokana ireto Solombavambahoaka maro an’isa, ary manambara fa any ivelan’ny lapam-panajakana no tokony hamoriany olona fa tsy ao anatin’ny Antenimierampirenena. Tsy andraikitry ny PAN ny mampiantso ny tompon’andraikitry ny filaminam-bahoaka tahaka izay nataony afak’omaly, ary mazava ny voalazan’ny andininy faha-32 ao amin’ny didy hitsivolana laharana faha-2014-001 mikasika ny lalàna fehizoro mifehy ny fitsipika fampandehanana ny Antenimierampirenena, fa anaty vaomiera fanadihadiana Parlemantera ihany no azon’ny Antenimerampirenena mampiantso tompon’andraikitra mpanatanteraka tahaka ireny. « Fanitsahana ny foto-kevitry ny fisaraham-pahefana no nataony, satria tsy natao hiditra amin’ny fitantanan-draharaha anatiny mpanatanteraka mihitsy ny Antenimierampirenena, izay mpanao lalàna ». Nambaran’izy ireo mazava, fa tsy misy krizy eto amin’ny firenena fa fanakorontanana iniana volena hitadiavana fifandonana no misy, mba hisian’ny rà latsaka hanamarinana ny fitadiavana ny fanelanelanana, ka anaovana dinika an-databatra boribory hizorana amin’ny tetezamita.
Loholona maro an’isa : Manohitra ny fanakanana ny zotram-pifidianana
Niloa-bava manoloana ny toe-draharaha misy eto amin’ny firenena ihany koa ireo Loholon’i Madagasikara maro an’isa anaty vondrona IRD eo anivon’ny Antenimierandoholona. Nambaran’izy ireo omaly, fa dimy andro sisa dia ho tonga ny datin’ny 16 novambra 2023 hanatanterahana ny fifidianana Filoham-pirenena ka tsy tokony hotsembatsembanina amina fitadiavana lalana hafa ivelan’izay voafaritry ny lalàmpanorenana. Mila fitoniana ny fizorana amin’ny fifidianana, ary miantso ny rehetra hitodika tanteraka amin’izany sy ho tonga maro hisitraka ny zony sy hanatanteraka ny adidiny amin’ny fandatsaham-bato ny 16 novambra ho avy izao, ireo Loholona. Miantso ireo tompon’andraikitra mahefa rehetra na ara-panjakana na eo anivon’ny vaomieram-pirenena mahaleo tena misahana ny fifidianana sy ny mpitandro filaminana ho mailo amin’izay teti-dratsy rehetra kasaina hatao tsy hisian’ny fifidianana, ka handray fepetra hisoroka ny korontana, hanatanterahan ny latsa-bato rehetra ao anatin’ny filaminana manerana ny Repoblikan’I madagasikara. Hevi-diso hahatafalatsaka ny firenena anaty krizy lalina ny fiantsoana hampitsaharana ny zotram-pifidianana efa mandeha, ary misarika ny sain’ny rehetra tsy ho tafalatsaka anatin’io velam-pandrika io izy ireo. « Mametraka ireo izay nanao izany antso izany eo anoloan’ny andraikiny tanteraka izahay Loholona maro an’isa, ary manambara fa tompon’andraikitra feno hotsarain’ny tantara amin’ny famotehana ny firenena raha sanatria ka tafalatsaka anaty krizy lalina iniana foronina indray ny firenena sy ny vaohaka malagasy ». Notsindrian’ireo Loholona maro an’isa, fa tsy misy antony mampitombina tsy hahatontosa ny fifidianana araka ny tetiandro efa voafaritra, ary tsy andian’olombitsy feno fitiavan-tena sy mikatsaka tombontsoa manokana no handeha hanakana ny fampiasan’ny vahoaka malagasy ny fahefana hisafidy izay ho mpitondra azy anaty dimy taona manaraka. Nohitsiany tao anaty fanambarana koa, fa « ny fifidianana irery ihany no hitsapana ny herin’ny ankolafy politika isan-tsokajiny, ary izany irery koa no handrefesana ny isan’ny vahoaka manohana azy ireo tsirairay avy ». Noho izany, manameloka ny fanaovana fihetsiketsehana amboletra sady tsy manara-dalàna hitadiavana rà mandriaka sy korontana eto amin’ny firenena ireo Loholona.
Governemanta: Manameloka ny fihetsiky ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena
Namoaka fampitam-baovao ihany koa ny Governemanta omaly manoloana ny fanambaran’ny Vovonana tarihin-dRamatoa Razanamahasoa Christine sy ny FFKM, izay mitaky ny hanemorana ny Fifidianana amin’ny 16 Novambra. “Ny Governemanta dia manameloka amin’ny heriny rehetra ny tetika fanonganam-panjakana ataona Andrimpanjakana tarihin-dRazanamahasoa Christine, Filohan’ny Antenimieram-pirenena, izay miray tendro amina fikambanana sy mpanao politika avy amin’ny fanoherana mba hanakanana ny zotram-pifidianana”, hoy ny fanambarana. Tsy misy mihitsy lalàna hahafahan’ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena manao fanelanelanana ao amin’izao ankatoky ny fifidianana izao mba hitondrana an’i Madagasikara indray hivoaka amin’ny lalàna voalazan’ny Lalàmpanorenana. Ny sehatra ifanakalozana nisesisesy nokarakarain’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana (Ceni) dia nahafahan’ireo mpisehatra politika sy fiarahamonim-pirenena naneho hevitra sy nitondra fanatsarana mahakasika ny zotram-pifidianana.
Fifidianana amin’ny 16 Novambra: Tonga ireo mpanara-maso iraisampirenena
Efa eto amintsika ireo mpanaramaso ny fifidianana avy eo anivon’ny Sadc, ny Comesa, ny Vondrona Afrikanina (UA), ny avy amin’ny Frankofonia (OIF), ary ny Vondrona Eoropeanina. Tafiditra amin’ny hiatrehana ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana voalohany hatao ny 16 novambra izao izany. Midika ho fandraisana andraikitry ny fianakaviambe iraisam-pirenena amin’ny ahatongavana amin’ny fifidianana malalaka sy mangarahara izany, manoloana ireo ahiahy samihafa amin’izao fotoana izao.
Efa tonga eto ny ampahany amin’izy ireo ankoatra ireo ekipa ho avy anio sy rahampitso. Fanomezana antoka ny rehetra amin’ny firosoana amin’ny dingana demokratika izao fahatongavan’ny mpanara-maso ny fifidianana izao, manoloana ireo vaovao samihafa mifamoivoy amin’izao fotoana izao. Anisan’ny andraikitr’ireo mpanaramaso ny fanaovana tombana sy fijerena ny zotram-pifidianana, mifanaraka amin’ny fenitra iraisam-pirenena. Marika iray ilazana koa izao fahatongavan’izy ireo mavitrika izao fa tsy azo ihodivirana ny hanatanterahana ny fifidianana na eo aza ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny.
Hitondra ny fomba fijeriny sy ny tombana, mahaleo tena sy tsy miandany ireto mpanaramaso ny fifidianana ireto ary hanamafy ny fitokisan’ny rehetra amin’ny fandraisany andraikitra amin’ny fifidianana. Mandray sy mankasitraka amin’izao fahatongavan’izy ireo izao ny fitondram-panjakana ary mandray ny andraikitra rehetra ahatongavana amin’ny fifidianana demokratika sy malalaka. Hiantoka ny fiahiana sy ny fiarovana ireo mpanaramaso ny manampahefana isan-tokony ary vonona ny hiara-kiasa amin’izy ireo amin’ny mety ilainy afahana manatanteraka an-tsakany sy an-davany ny fanarahamaso tanterahin’izy ireo.



