PolitikaSongadim-baovao

DEPIOTEN’ANDRAMASINA : Miantso ny hanohizana ny fifampiresahana efa natomboky ny Filoha

Nitondra ny fanehoan-keviny mahakasika ny raharaham-pirenena ankehitriny ny Solombavambahoaka voafidy tao amin’ny Distrikan’Andramasina, Bina Liantsoa Andriamanjato. Notsorina fa lasa somary manahirana ny toe-draharaha ankehitriny satria efa nahitana fikorontanana avokoa na avy amin’ny mpanohitra na mpanohana , ary ireo mpitandro filaminana. « Ho ahy manokana, tsy misy ohatra ny fifampiresahana ihany. Aleo tohizana ireny loabary andasy izay nataon’ny Filoham-pirenena ireny, izay ankasitrahana azy », hoy ny fanazavany. Azo heverina, hoy ity olom-boafidy ity, fa na ny mpanohitra na ny mpanohana ny Fitondrana, dia samy mahatsapa fa tsy misy tsy vitan’ny fifampiresahana, raha famahana olana.
Na izany aza anefa, notsindriany fa ireny voaresaka rehetra nandritra ny loabary andasy ireny dia efa notenenin’ireo depiote 163 avokoa tamin’ny fotoan’androny. « Ho an’ny distrikan’Andramasina manokana, ny zavatra tena angatahako, ary irariako mba ho henon’ny Filoham-pirenena, dia ny famoahana ilay gadra politika noho ny resaka angidimby teny alarobia Vatosola, tamin’ny fifidianana Novambra 2023 », hoy ny Depiote Bina Liantsoa Andriamanjato.
Tao anatin’ny fanehoan-keviny moa dia nanao antso manokana ho an’ireo eo anivon’ny zandarmariam-pirenena ny tenany. « Ny iangaviako , indrindra ireo eo anivon’ny zandarmariam-pirenena, havanay ianareo, namanay ianareo, betsaka ny fianakaviana eo anivon’ny zandary, kanefa zary lasa mifampihantsy ny zandary sy ny vahoaka izay te haneho hevitra. Noho izany, aleo atsahatra ny fifampihantsiana, toy izany koa ny tora-bato, eo koa ny herisetran’ny mpitandro filaminana”, hoy ny antso nataony.
LR.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer