PolitikaSongadim-baovaoSosialy

DEPIOTEN’IFANADIANA: Nanamafy fa tena mandripaka olona maro ny tazomoka ao Ikongo

“Famahanan-dalitra ny Fanjakana foibe sy ny vahoaka malagasy ny fanafenana ny zava-misy marina ao amin’ny distrikan’Ikongo, mikasika ny trangana tazomoka mandripaka olona maro. Tokony hoesorina amin’ny toerany ny Governoran’ny Faritra Fitovinany”, hoy ny fanehoan-kevitry ny Solombavambahoaka voafidy tao amin’ny distrikan’Ifanadiana, Manantena Hajanirina Dinah…

Manoloana ny fanazavana nentin’ny Governoran’ny Fitovinany tamina haino aman-jery mikasika ny trangana tazomoka mahery ao Ikongo, dia nambaran’ny Solombavambahoaka voafidy tao Ifanadiana, Manantena Hajanirina Dinah, fa tatitra vilana miendrika fanamaivanana sy fanabadoana ny vahoaka ao amin’ny faritra Tagnala no nataon’io olom-boatendry io. Izany indrindra no anaovany antso avo amin’ny Fitondram-panjakana tarihin’ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina, sy ny Praiminisitra lehiben’ny Governemanta, Ntsay Christian, hijery ny zava-misy marina any an-toerana, ary nilazany fa “tsy ilaina ny olom-boatendry miteniteny fahatany sy manakona ny tena zava-misy marina ety ifotony tahak’izao”. Notsindriany araka izany, fa tokony hoesorina amin’ny toerany ny Governoran’ny Fitovinany ity, satria tsy hitondra tombontsoa na fampandrosoana ho an’ny vahoaka eny ifotony ny zava-misy ambarany. “Tsy misy antony tokony hanafenana io aretim-be sy ny fahafatesana maro aterany ao Ikongo io, satria mety hiitatra any amina faritra hafa manodidina izany ka tokony handraisana fepetra haingana”, hoy ny Depioten’Ifanadiana.

Nanao antso avo amin’ny zanaka Tagnala rehetra ity Solombavambahoaka ity mba handray ny andraikitra manandrify manoloana iny tatitra voalaza fa diso nentina nanabadoana azy nataona olom-boatendry iny. Nomarihan’ny Depiote Hajanirina Dinah, fa misy ary mitohy hatrany ny fandraisana an-tanana ireo marary any an-toerana, saingy tsy maharaka izany ka mila fandraisan’andraikitra haingana. “Marary anay izay maharary an’Ikongo satria tanana avia sy havanana izahay noho ireo razana sy Bako iraisanay”, fanampim-panazavan’ny Depioten’Ifanadiana amin’ny maha Solombavambahoakan’i Madagasikara azy. Nampiany, fa na iza olom-boatendry na tompon’andraikitra tsy manao ny asany araka ny tokony ho izy ho tombontsoan’ny vahoaka eny ifotony dia mifanipaka amin’ny vina napetraky ny Filoham-pirenena ka tsy azo ekena. Raha ny fanazavana nentin’ny Governoran’ny Faritra Fitovinany, Médecin Général Razafitsotra Lucien, mikasika io tranga any Ikongo io, dia “tsaho iniana aparitaka hanakorontanana saim-bahoaka no misy. Tena misy ny fahafatesan’olona noho io tazomoka io, saingy tsy marobe araka ny voalaza. Ireo olona maty dia tara famonjena tobim-pahasalamana, raha misy ireo manao dokotera tena”.

Stan R.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer