PolitikaSongadim-baovao

DIAN’NY FILOHA ANY FRANTSA: Tombanana ny hihaonany amin’ny Filoha Emmanuel Macron

Araka ny fampahafantarana samihafa efa mandeha ankehitriny, dia hisy ny fivoahana ofisialy ataon’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina any Paris, Renivohitr’i Lafrantsa amin’ny herinandro ho avy izao. Feno ny fandaharam-potoanan’ny Filoha raha ny fantatra, satria mialohan’ny fihaonany amin’ireo teratany malagasy any an-toerana ny Sabotsy 28 Aogositra 2021, dia tombanana ny hisian’ny fihaonana eo aminy sy ny Filoha Frantsay ny Zoma 27 Aogositra izao.

Azo everina ny hisian’ny fihaonana eo amin’ny Filoha Andry Rajoelina sy ny Filoha frantsay Emmanuel Macron amin’ny herinandro ho avy izao, mandritra ny diany any Frantsa, araka ny fahitan’ireo mpamakafaka sy mpahay fifandraisana iraisam-pirenena. Na ireo fampahalalam-baovao frantsay aza dia efa mametraka io tombatombana io avokoa. Raha ny fandaharam-potoana dia ny Alarobia 25 Aogositra 2021 izao no fantatra fa hanatrika ny hetsika iarahana amin’ny MEDEF na “Mouvement des Entreprises DE France” ny Filoha malagasy Andry Rajoelina. Roa andro aorian’io kosa, araka ny loharanom-baovao, no tombanana hisian’ny fihaonana eo aminy sy ny Filoha frantsay. Izany hoe, ny datin’ny 27 Aogositra izao.

Nosy Malagasy

Andrasan’ny rehetra ny mety hisian’io fihaonana eo amin’ny roa tonta io, taorian’ireo tranga maromaro namparisarisa ny fifandraisana teo amin’i Madagasikara sy Lafrantsa. Tafiditra ao anatin’izany ny raharaha “Iles Eparses” izay mbola mipetraka ho sakana hatrany, amin’ny fifandraisantsika amin’i Frantsa. Farany teo, nandefa tafika tao amin’ny Nosy Sambatra indray ny Firenena Frantsa ho fanamafisana ny fiarovana ny toerana amin’ny ambana samihafa, raha ny fanazavana. Fihetsika izay adikan’ny rehetra ho fampisehoan-kery amin’i Madagasikara. Isika izay anisany sarotiny amin’ny resaka fiandrianam-pirenena sy fitiavan-tanindrazana. Taloha kelin’io koa anefa, dia efa nisy ny didim-panjakana nametraka an’i Nosy Sambatra ho lasa valanjavaboahary frantsay. Inona araka izany no fanazavana azon’ny Filoha Macron homena ny Firenena malagasy manoloana ireo? Raha tsiahivina, dia ny volana oktobra 2019 no nisy fihaonana farany teo amin’ireto Filoham-pirenena roa tonta ireto.

Raharaha Apollo 21

Etsy ankilany anefa, raharaha mafana mbola naha voatonotonona ny Firenena frantsay ihany koa ny mahakasika ny fikasana hifofo ny ain’ny Filoham-pirenena na “Apollo 21”, farany teo. Betsaka ireo manahy, sy manao tombatombana fa misy dian-tanan’ny Frantsay iny raharaha iny. Ireo olona voasambotra sy ahiahina amin’ity raharaha ity, rahateo, ahitana teratany Frantsay iray, sy Malagasy mizaka ny zom-pirenena Frantsay iray. Hatraiza àry no mety hahatafiditra ny Firenena Frantsay ao anatin’ny raharaha. Na izany aza, ny Filoha Andry Rajoelina efa nilaza, nandritra ny tafa farany nataony tamin’ny vahoaka, ny alahady 08 Aogisitra 2021, fa tsy voatery ny Firenena iray manontolo no diso na ampangaina raha toa ka teratany iray na roa no voasaringotra amina raharaha maloto any amin’ny firenen-kafa. Araka izany, andrasana ihany koa ny ambaran’ny Filoha frantsay mahakasika ity raharaha ity raha tahiny ka tontosa soa aman-tsara ny fihaonana eo amin’ny roa tonta.

Fihaonana amin’ireo Malagasy any Frantsa

Araka ny fampahafantarana nataon’ny teo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika, hihaona amin’ireo mpiray Tanindrazana monina sy mianatra ary miasa any Frantsa ny Filoham-pirenena ny 28 aogositra 2021 mandritra ny diany any an-toerana. Hisy ny fampirantiana ireo vokatra Malagasy raitra indrindra mandritr’io tontolo andro io. Hetsika izay hanentanana ny fandraisan’anjara mavitriky ny rehetra ary hotontosaina ao amin’ny “Région Parisienne”, raha ny fanazavana.

Filoha Andry Rajoelina : Hihazo ny lalam-pirenena faharoa anio

Araka ny fandaharam-potoana dia amin’ity anio ity ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina no hidina ifotony any amin’ny Toamasina, hijery ny tena zava-misy marina mahakasika ny fahasimban’ny lalam-pirenena faharoa. Efa nambarany tao amin’ny lahateniny farany, ny alahady 08 Aogositra teo ity diany ity, raha tsiahivina. Araka ny fantatra dia hisy koa fandehanan’ny Filoha ao amin’ny Aire de Repos ao Sahamamy Brickaville ny tolak’andro. Toerana izay natao hialana sasatra ho an’ireo mpandeha amin’ny lalam-pirenena faharoa iny.

Fermer