PolitikaSongadim-baovao
DIASPORA MANOHANA AN’I ANDRY RAJOELINA (DIAMAR): Hanoro hevitra sy hizara ny traikefany eo amin’ny sehatry ny fampandrosoana
Vondrona iraisan’ireo Fikambanana, Antoko Politika ary ireo olom-pirenena tsotra mila ravinahitra ao Eoropa ny « DIAMAR » na ny “Diaspora manohana an’i Andry Rajoelina eto Eoropa”. Tanjon’izy ireo ny hanohana ireo paikadim-pampandrosoana aroson’ny Filoha Andry Rajoelina, ka hitondra ny anjara birikiny ho tanjaka ara-toekaren’i Madagasikara. Eo koa ny fanohanana sy fampirisihana ny Malagasy hanaja ny andrimpanjakana misy, sy hiaina ao anatin’ny fitoniana ara-politika, fandriampahalemana, ary tontolo miteraka famokarana. Ny DIAMAR koa dia hanoro hevitra sy hizara ny traikefany eo amin’ny sehatry ny fampandrosoana. Ankoatra izay dia manohitra ny fanakorontanana amin’ny endriny rehetra, na any ivelany na eto Madagasikara ny DIAMAR.
Tsipahin’izy ireo koa ny fikasan’ny olom-boafidy vitsivitsy mitondra fanakorontanana izay miendrika fanonganam-panjakana. Ho azy ireo dia ny fifidianana ara-demokratika ihany no lalana hakana fahefana fa tsy amin’ny herisetra na fanakorontanana, tsy amin’ny fanozongozonana Fanjakana. Mitaona ny Malagasy koa ny DIAMAR mba tsy handairan’ny tsaho sy ny lainga hafafin’ny mpanohitra any amin’ny tambazotran-tserasera. “Mampirisika ny Malagasy, indrindra ireo any amin’ny Faritra mba hahay hanararaotra ny fampandrosoana isam-paritra izay apetraky ny Fanjakana. Ezahina koa ny tsy hisian’nyFaritra zanaky kiala hafa intsony”, hoy ny fanambaran’izy ireo.
Tetsy ankilany, ny DIAMAR dia midera ny ezaka ataon’ny Fitondrana tarihin’ny Filoha Rajoelina amin’ny fanandratana avo ny lazan’i Madagasikara eo amin’ny sehatra iraisampirenena. Ny fanatanterahana ireo fihaonana an-tampony teto Madagasikara dia azo adika ho fandresena diplomatika, no sady maneho fatokisan’ny fianakaviambe iraisampirenena ny Mpitondra amin’izao fotoana. Notsindrian’izy ireo fa mandalo fotoan-tsarotra tokoa izao tontolo izao, ka ny fanamafisana ny fiarahamiasa amin’ireo firenena mety hahazoan’i Madagasikara tombontsoa, ankoatra ny fanararaotana ny fifandraisana marolafy. Azo avadika ho fanararaotra ho tombontsoan’i Madagasikara ny fahasahiranana lalovan’izao tontolo izao.




