PolitikaSongadim-baovao
DIASPORA TIM/RMDM: Hanakorontana sy handrava eto an-drenivohitra amin’ny 03 Septambra
Miha mazava tsikelikely amin’izao fotoana ny tetidratsin’ireo andian’olona manohitra ny Fitondrana ankehitriny, raha niainga tamin’ny fanehoan-kevitr’ireo Diaspora sasany ao Frantsa. Raha ny marimarina kokoa dia efa tsy fanoherana intsony ny an’izy ireo fa efa fankahalana sy fananganam-pahavalo ny Filoham-pirenena sy ireo akaiky azy rehetra mihitsy. Amin’ny 03 Septambra izao dia miantso ny Vahoakan’Antananarivo izy ireo handray anjara amin’ny hetsika fanakorontanana manerana ny Renivohitra.
“Mila vonoina i Andry Rajoelina ary apoaka ny tanàna sy ny faritra rehetra amin’ny 3 septambra” hoy i Marco Randrianisa, isan’ireo Diaspora malagasy monina ao Frantsa, lohalaharana amin’ny fanenjehana ny Filohan’ny Repoblika, eny tonga hatramin’ny fifofoana ny ainy mihitsy aza. Nilaza tsy nanontaniana ny tenany sy ireo olon’ny TIM ary Diaspora mpanohana an-dRavalomanana vitsivitsy any Frantsa, raha nanao hetsika tao Paris Frantsa afak’omaly. Nilaza i Marco Randrianisa fa tsy mahandry 10 taona intsony izy ireo satria efa fantany fa ho resy izy ireo amin’ny fifidianana ka tsy maintsy vonoina i Andry Rajoelina ary apoaka ny tanàna sy faritra rehetra. Nanentana ny mpanohitra aty Madagasikara, araka izany, i Marco Randrianisa sy ireo Diaspora TIM/RMDM tarihan’i Fanirisoa Ernaivo mba hihetsika amin’ny 3 Septambra fa efa misy olona nolazain’izy ireo fa efa nokaramaina hanapoaka ny tanàna eny Ambohipo, Ambondrona, Ankorondrano 67ha sy any amin’ny Faritra rehetra fa mila manaraka izany ny vahoaka, ary mandrisika amin’izany ireo Diaspora, araka ny fanambarana.
Rehefa tsy tafala moramora ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina, dia mila atao amin’ny fanaovana azy fa tsy misy miandry fifidianana izany eto, hoy ireto Diaspora TIM/RMDM ireto. Nolazain’izy ireo ihany koa fa rehefa potika sy rava ny tanàna dia hanangana Fitondrana tetezamita ny mpanohitra fa tsy misy hanao fifidianana izany.
“Tsy maintsy ataoko io, ary tsy maintsy vitako ary tsy maintsy apoaka ny tanàna ary ravana sy potehina aloha », hoy Marco Randrianisa. Ity farany izay tsy vao sambany no nifofo ny ain’ny Filoha fa efa nanao izany hatrany.
Ny Fanoratana.


