PolitikaSongadim-baovao

DIPLAOMASIA: Tsy tapaka ny fifandraisan’i Madagasikara amin’i Comores

Taorian’ny resabe manodidina ny raharaha voalaza fa mampisy disadisa eo amin’ny firenena malagasy sy i Comores dia nitondra fanazavana sy fanamarihana ny Minisitry ny Raharaham-bahiny, Rasata Rafaravavitafika, ny faran’ny herinandro teo. Nambarany fa Nosy Rahavavy i Madagasikara sy Comores. Nampahafantariny fa ny fifandraisana eo amin’i Madagasikara sy Comores dia tao anatin’ny firahalahiana hatrany, ary tsy mbola tapaka izany fifandraisana ara-diplomatika eo amin’ny firenena roa tonta izany. “Etoana dia tiako ny manamafy fa mipetraka ary mafy orina ny fiarahamiasan’i Madagasikara sy Comores”, hoy ny Minisitry ny Raharaham-bahiny.
Notsindriany fa betsaka ireo Malagasy mipetraka sy monina any Comores. Tsy vitsy koa ireo Kaomorianina monina sy mipetraka eto Madagasikara. Misy ny fifandraisana ara-barotra eo amin’ny firenena roa tonta. Ary raha nisy ny fiatoana teo amin’ny fivezivezena teo amin’ny firenena roa tonta, dia noho ny antony ara-pahasalamana fotsiny ihany. Ireo rehetra ireo dia nentiny nilaza fa mipetraka hatrany fifandraisana eo amin’ny firenena roa tonta.
Tsy vao voalohany i Madagasikara no nanidy ny sisin-dranomasina izay mampifandray ny firenena roa tonta. Izany anefa, dia fepetra noraisina vonjimaika noho ny ambana ara-pahasalamana izay misy. “Rehefa miverina araka ny tokony ho izy ny toe-draharaha eo amin’ny lafiny fahasalamana dia misokatra indray ny sisin-dranomasin’i Madagasikara ho an’i Comores”, hoy hatrany izy.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer