
PolitikaSongadim-baovao
DIPLOMASIA, HARENA AN-KIBON’NY TANY, SOLIKA, ANGOVO, … : Hanamafy ny fiarahamiasa amin’i Angola i Madagasikara
Taorian’ny diany tao Guinée-Bissau dia nitodi-doha ao Angola ny Filoha Andry Rajoelina Andry. omaly tolakandro izy no nigadona ao Luanda, renivohitr’i Angola. Hanatanteraka Fivahinianana ara-panjakana ao an-toerana izy, mamaly ny fanasan’ny filohan’ny Repoblikan’ny Angola, João Manuel Gonçalves Lourenço.
Tamin’ny fomba feno fanajana tanteraka no nandraisan’ny Firenena Angolais ny Filohan’ny Repoblika Malagasy, Andry Rajoelina, omaly, tao amin’ny seranam-piaramanidina. Nitsena ny Filoha teo am-pahatongavana ny Minisitry ny fifandraisana amin’ny any ivelany amin’ny any ivelany an’ny Repoblikan’i Angola, Téte António. Amin’ny maha fivahiniana ara-panjakana azy dia nisy ihany koa ny fanomezam-boninahitra ara-miaramila ny Filoha teo am-pidinana ny fiaramanidina. Nisafo ny andian-tafika angolais nitsena azy araka izany ny filoha Rajoelina, mialohan’ny nizorany tao amin’ny “salon présidentiel”.
Fanamafisana fiaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta
Fotoana hanamafisana ny fiaraha-miasa amin’ny sehatra maro lafy eo amin’ i Madagasikara sy i Angola izao fivahiniana ara-panjakana ataon’ny filoha Rajoelina aty an-toerana izao. Araka ny fanazavan’ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Rasata Rafaravavitafika, dia misy fifandraisana ara-tantara ny firenena roa tonta. I Madagasikara mantsy tany amin’ny taona 70 dia nanohana ireo firenena aty amin’ny faritra Atsimo Andrefan’i Afrika amin’ny tolona nataon’izy ireo ahazoana ny fahaleovantenany. Ary na tsy mbola nisy aza ny fifandraisana ara-diplomatika dia efa ela i Madagasikara no nametraka ho zava-dehibe ny firahalahiana eo amin’ny samy firenena afrikana.
Ao anatin’izany fanamafisana ny fifandraisana eo amin’i Madagasikara sy i Angola izany dia nisy ny fanaovan-tsonia “communiqué conjoint portant établissement officiel des Relations diplomatiques” eo amin’ny firenena roa tonta tany Antananarivo, tamin’ny 8 jolay teo. Ity araka izany no lasitra entina anombohana amin’ny fomba ofisialy ny fifandraisana ara-diplomatika eo amin’i Madagasikara sy i Angola.
Ho fanamafisana izany dia hisy ny “accord-cadre général de coopération” na fifanarahana an-kapobeny mifehy ny fifandraisana eo amin’ny firenena roa tonta izay hosoniavina mandritra ity fitsidihana ara-panjakana ataon’ny filoha Rajoelina aty Angola ity. Fanatanterahana mivaingana izany fametrahana fiaraha-miasa eo amin’i Madagasikara sy i Angola izany izao fivahinianana ara-panjakana ho ataon’ny filoha Rajoelina Andry izao.
Ankoatra ilay fifanarahana an-kapobeny dia hisy ihany koa fifanarahana 6 hafa izay ho soniavina, ny telo amin’izy ireo dia “memorandum d’entente” amin’ny sehatry ny solika, angovo, sy ny akoran’afo, ary mahakasika ny harena an-kibon’ny Tany. Ankoatra ny minisitry ny Raharaham-bahiny dia miara-dia amin’ny filoha any Angola ihany koa ny minisitry ny Angovo sy ny Akoran’afo, Jean-Baptiste Olivier, sy ny minisitry ny Harena an-kibon’ny tany, Rakotomalala Olivier Herindrainy. Isan’ny delegasiona manotrona ny Filoha ihany koa ny Talen’ny kabinetran’ny fiadidian’ny Repoblika, Rakotonirina Élysa, sy ny Talen’ny fifandraisana iraisam-pirenena eo anivon’ny fiadidian’ny Repoblika, Ranoromaro Lova.
Ireto manaraka ireto ny lisitr’ireo fifanarahana izay ho atao sonia :
Accords bilatéraux relevant du Ministère des Affaires étrangères :
1. Accord-cadre général de coopération entre le gouvernement de la République d’Angola et le gouvernement de la République de Madagascar
2. Mémorandum d’entente sur les consultations politiques
3. Accord relatif à l’exemption de visa pour les détenteurs de passeports diplomatiques et de service
4. Accord portant création d’une commission bilatérale entre le gouvernement de la République d’Angola et le gouvernement de la République de Madagascar
Les Accords sectoriels :
1. Protocole d’accord sur le développement du secteur minier
2. Protocole d’accord sur la coopération pour le développement du secteur de l’énergie
3. Protocole d’accord sur le développement du secteur pétrolier




