
PolitikaSongadim-baovao
DIPLOMASIA: Nodimandry ny Masoivohon’i Madagasikara any Frantsa
Araka ny fampitam-baovaon’ny Minisiteran’ny Raharaham-bahiny omaly dia nodimandry Andriamatoa Rajhonson Olivier Hugues Rija, Ambasadaoro manokana sy nomem-pahefana feno misolo tena ny Repoblikan’i Madagasikara ao Frantsa, eo anivon’ny Fiketrahana Masina ao Vatican, ao amin’ny Fanjakan’i Monaco, Fanjakan’i Andorra, Espana, Portogaly ary Israely.
Raha tsiahivina, nandray ny asany nanomboka ny taona 2019 Rajhonson Olivier Hugues Rija. Enin-taona, araka izany, izay no nisahanany io andraikitra io, ary izao izy nindaosin’ny fahafatesana izao, teo amin’ny faha-79 taonany. Andrasana moa ny tohin’ny fandaharam-potoana mahakasika azy. Izy izay heverina fa tokony hanana ny toerany sy ny andraikitra goavana nosahanina mandritra izao ankatoky ny fandraisantsika ny Filoha frantsay Emmanuel Macron eto an-tanindrazana izao.
Ny Mpiara-miasa rehetra eto amin’ny Vondrona Free Communication dia mirary fiononana feno ho an’ny fianakaviany sy ireo akaiky azy rehetra.
Ny Fanoratana.



