PolitikaSongadim-baovao

DISADISA AO AMIN’NY KAOMININA ANTANANARIVO: “Tsy hametra-pialana aho”, hoy ny Ben’ny tanàna

Nivoaka tamin’ny fahanginany manoloana ireo resabe sy raharaha mafana eto anivon’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra ny Ben’ny tanàna, Naina Andriatsitohaina omaly. Ny mahakasika SMGD sy ny trosa teo anivon’ny Cnaps, ny fako, ny lalana, indrindra ny lafiny ara-politika izay hiantsoan’ny olona sasany ny fametraham-pialany, ireo no anisan’ny teboka voaresaka. Nahitsy ny Ben’ny tanàna omaly nilaza fa tsy hametra-pialana ny tenany, satria tsy misy mihitsy antony tokony hirosoany amin’izany raha ny ezaka efa vita tao anatin’ny roa taona nitantanany no asian-teny.

“Maninona moa aho no hametra-pialana?”, io no fanontaniana nasetrin’ny Ben’ny tanàna Naina Andriatsitohaina ireo mpanao gazety nitafa taminy omaly, raha nanontany mahakasika ny fitakian’ny mpanolontsain’ny tanàna iray ny fametraham-pialany. “Tsy hametra-pialana aho”, hoy izy. Nambarany fa mandroso tsara ny asa fampandrosoana ny tanàna mandritra izay roa taona izay. Mbola hihatsara aza izany amin’ny roa taona manaraka satria efa nisy rafitra novaina tao. Ny tenany izay nilaza fa tsy eny andalambe no atao hoe demokrasia. Misy koa, hoy izy, ny fifidianana ka tokony ho any no mifaninana izay tsy mankasitraka ny fitantanana ankehitriny. Misy rahateo koa ny sehatra azo ifampiresahana eo anivon’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, ka tsy tokony ho tonga hatrany amin’ny fametraham-pialany izany, raha ny fanazavana hatrany.

Tamin’ny fihaonana tamin’ny mpanao gazety omaly ihany koa no nanambarany fa tsy misy mihitsy olana eo aminy sy ny Filohan’ny Repoblika mivady. “Tsy hiala amin’ny Filoha ny Ben’ny tanàna”, hoy izy. Ny tenany izay nanamafy fa mbola hirotsaka hofidianana amin’ny fifidianana ben’ny tanàna manaraka.

SMGD…

Mbola nohamafisin’ny Ben’ny tanàna Naina Andriatsitohaina hatrany omaly fa tsy ny Kaominina velively no nitrosa vola teo anivon’ny Cnaps fa ny SMGD. Nanaraka ny lalàna daholo na ny fomba nametrahana ny SMGD na ny fomba nitrosana ny vola teo anivon’ny Cnaps, hoy izy. Nambarany fa ny olana amin’ny Mpanolontsaina Clémence Raharinirina, izay anisan’ny voalohany manenjika azy amin’ity resaka SMGD ity, dia izy tsy vonona hihaino ny fanazavana entin’ny Ben’ny tanàna, fa mametraka fanontaniana dia avy eo any amin’ny fahitalavitra no miresaka. Eo anivon’ny Kaominina anefa, misy sehatra azo ifampiresahana, ary henoina daholo ny mpanolontsaina rehetra ao, araka ny fanazavana.

Fako, taxi-moto…

Mahakasika ny fako, dia isan’ny olana voalohany nambaran’ny ben’ny tanàna ny lafiny ara-bola. Tsy afaka miasa ny SMA raha tsy misy vola, hoy izy. Tsy nisy ny fidiram-bolan’ny Kaominina tao anatin’ny roa taona vokatry ny krizy, araka ny fanazavana. Teo koa ny fanatsarana ny fitantanana tsy maintsy natao. Ankoatra izay, olana ara-teknika ihany koa no mahatonga ny tsy fandraofana ny fako. Nikisaka ny fahavaratra, hoy ny ben’ny tanàna. Isaky ny orambe anefa dia milentika ny kamiao mankany Andralanitra, ka tsy afaka manary ny fako. Efa nisy ny vahaolana vonjimaika nanariana ny fako etsy Anosipatrana.

Momba ny taxi-moto, nitsotra ny ben’ny tanàna fa miankina tanteraka amin’ny fanapahan-kevitry ny filankevitra izany. Rehefa eken’ny filankevitra monisipaly fa omena alalana miasa ny Taxi-moto dia manatanteraka ny Ben’ny tanàna, hoy izy, saingy tsy maintsy ho asiana fepetra izany.

Fermer