Trangam-piaraha-monina

DISTRIKAN’ AMBANJA : Saron’ny zandary ny rongony 6208 kg sy menaka rongony 21 litatra

Ireo mpivarotra zava-mahadomelina tratra tao Marotolana.

Voasambotry ny zandary mpampandry tany tao Mahadera kaominina Marotolana, distrikan’Ambanja, Faritra Diana, ny tolakandron’ny sabotsy teo, ireo jiolahy mpisera rongony miisa efatra. Angom-baovao avy amin’ny olona tsara sitrapo no nahafantarana fa misy rongony maro mitoby anaty trano roa ao Mahadera. Raha vao nandre izany ireo zandary,   nidina teny ifotony nanao fanamarinam-baovao azo. Tra-tehaka tao tokoa ireo rongony 140 gony lehibe izay mitotaly 5 taonina sy 80 kilao (5080 kg) sy menaka rongony 21 litatra.

Rehefa natao ny famotorana,  jiolahy iray atao hoe « Manuel » no tena lehiben’ny mpamongady rongony ao an-toerana, izay voasambotra niaraka tamin’ireo jiolahy telo hafa tompon’ny rongony sasany. Rehefa nohalalinina ny famotorana,  mbola namboraka koa ireto farany fa mbola manana rongony 1200 kg ary rongony enina gony no manome menaka iray litatra, izay amidy 700.000 ariary. Noho izao vokatra goavana izao, dia nisaorana manokana ny nomena mari-pankasitrahana ny loharanom-baovao. Nankasitrahana koa ireo zandary izay nanao ezaka tsara sy nampiseho ny maha matihanina azy ireo, teo am-pitsongoana dia ireo olon-dratsy, momba ireto zava-mahadomelina ireto. Tsiahivina fa mahavoasazy an-tranomaizina anaty fotoana maharitra ny mamboly, mitondra, mivarotra, mividy, midoroka zava-mahadomelina toy ny rongony. Tsy hisy intsony ny indrafo ho an’izay sarona manao izany.

Ny fidorohana rongony no tena anisan’ny mampirongatra ny asan-jiolahy na ambanivohitra na ambonivohitra, mahatsiaro sahisahy sy tsy afaka misaina tsara intsony ny olombelona rehefa domelin’ny rongony ka mahavita manao asa ratsy, mahafaty olona mihintsy », hoy ny Kly Kaomandin’ny Vondron-tobim-pileovan’ny zandarimariam-pirenena ao Diana.

 

Fermer