Songadim-baovao

DISTRIKAN’AMBATOLAMPY : Tra-tehaka ilay tovolahy miaraka amin’ny rongony vita fatorana miisa 83

Nanambara ireo sefo fokontany fa mirongatra indray ny fidorohana zava-mahadomelina ao amin’ny distrikan’Ambatolampy, ny 9 jona lasa teo. Misy mihitsy ireo izay manao habibiana vokatr'izany. Fepetra noraisina, rehefa nahazo io tatitra io ny Kapiteny kaomandin'ny vondron-tobim-paritra Ambatolampy, dia nanome baiko ny EMMO/Distrika Ambatolampy, mba handray fepetra, ka lehilahy iray no tra-tehaka miaraka amin’ny rongony vita fatorana miisa 83…

Ilay lehilahy mpidoroka sady mpivarotra rongony tra-tehaky ny zandary.

Ny alakamisy faha 9 jona 2022, nandritra ny fivoriana fanomanana ny fetin’ny 26 jona, izay natao tao amin’ny Biraon’ny distrikan’ Ambatolampy, izay niarahan’ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny  teo an-toerana,  nahitana ny lehiben’ny distrika, ny mpikambana ao aminy OMC, ny Ben’ny tanàna ary ireo sefo fokontany rehetra ao amin’ny kaominina Ambonivohitra Ambatolampy. Nanambara ireo sefo fokontany fa mirongatra indray ny fidorohana zava-mahadomelina ao an-toerana. Misy mihitsy ireo izay manao habibiana vokatr’izany. Fepetra noraisina, rehefa nahazo io tatitra io ny Kapiteny kaomandin’ny vondron-tobim-paritra  Ambatolampy, dia nanome baiko ny EMMO/Distrika Ambatolampy, mba handray fepetra mikasika io toe-javatra mampitaraina ny mponina ao amin’ny Kaominina ambonivohitra Ambatolampy. Araka ny angom-baovao marim-pototra, izay voarain’ireo zandary miasa ao amin’ny Kaompania Ambatolampy, fantatra fa misy lehilahy iray mpidoroka sy mpivarotra rongony,  izay mamatsy ireo tanora eny an-toerana. Rehefa nahazo ny fahazoan-dalana avy tany aminy fitsarana Ambaratonga voalohany Ambatolampy ireo zandary avy ao amin’ny Tobim-paritra Ambatolampy, izay notarihin’ny  Ltn Rakotozafy Hasina, niroso tamin’ny fisamborana ilay lehilahy sy nisava ny trano fonenany. Vokany, tra-tehaka tamin’izany ny rongony, izay efa vita fatorana (carotte) miisa 83,  milanja 500 grama. Nosamborina ary nentina namonjy ny biraon’ny tobim-paritra Ambatolampy ity farany, mba hanaovana fanadihadiana. Mitohy hatrany ny asa famongorana ireo mpivarotra sy mpifoka rongony ao an-toerana. Ny tobim-paritra Ambatolampy no misahana ny fanadihadiana.

Fermer