Songadim-baovao
DISTRIKAN’ANJOZOROBE : Dahalo mpaka an-keriny 105 voasambotra tao anatin’ny valo volana
Nandritra ny valo volana mahery kely, nahatratra 105 ireo mpaka an-keriny voasambotra, tao anatin’ny distrikan’Anjozorobe notanterahin’ny Vondron-tobim-paritra Imerina Centrale. Na izany aza, mbola misy hatrany ny fakàna an-keriny any an-toerana. Vao ny zoma lasa teo aza, nahafatesana miaramila ny fifanandrinana tamin’ireo mpaka an-keriny. Fanadihadiana…

Mafana vay amin’ny asan-dahalo sy ny fakàna an-keriny ny ao amin’ny distrikan’Anjozorobe iny. Nanomboka ny 30 aogositra 2021 ka hatramin’ny omaly 16 mey 2022, nahatratra 105 ireo dahalo mpaka an-keriny voasambotry ny Vondron-tobim-paritra Imerina centrale. Nandritra ny valo volana mahery kely, mbola nisy koa ny saritsarina fakàna an-keriny ka nahasamborana olona valo. Vao ny 9 mey lasa teo, tokony ho tamin’ny 10 ora alina, tao Antsakamaina, fokontany Befiakarana, kaominina ambonivohitra Anjozorobe, nisy andiana dahalo niisa folo indray, nirongo basy sy fitaovam-piadiana naka an-keriny olona telo, tanatina fianakaviana samy hafa. Vokany, raim-pianakaviana roa, 47 taona sy 39 taona ary zazavavikely iray 13 taona no nalain’izy ireo an-keriny. Ilay raim-pianakaviana 39 taona, avotry ny zandary avy amin’ny Borigadin’Anjozorobe, ny 10 mey lasa teo. Nitohy ny fanarahan-dia, nandritra ny fakàna an-keriny io, nisy ny vola lasan’ireo dahalo mitentina 400.000 Ar, niaraka tamin’ny finday miisa telo.
Ny sabotsy lasa teo, ilay zazavavikely 13 taona no votsotra teny am-pelatanan’ireo mpaka an-keriny, tokony ho tamin’ny 8 ora alina, raha avotra ny sabotsy lasa teo koa, ilay raim-pianakaviana 47 taona, izay teo amin’ny moron’ny reniranon’i Mananara, ao anatin’ny Kaominina ambanivohitra Ambohimirary, anatin’ny distrikan’Anjozorobe. Fantatra fa tsy nisy vola lasan’ireo mpaka an-keriny, raha nitaky volabe mitentina hatrany amin’ny 15 tapitrisa Ar izy ireo. Mitohy hatrany ny fanaovan’ny Zandary avy ao amin’ny Vondron-tobim-paritra Imerina centrale hazalambo ireo mpaka an-keriny.

Miaramila lavon’ny mpaka an-keriny…
Nandritra ny fifampitifirana tamin’ireo dahalo mpaka takalonaina tao Antanetibe, Kaominina Beronono, distrikan’Anjozorobe, ny zoma lasa teo. Lavon’ny bala nandritra ny fifanjevoana, ny miaramila serzà iray. Na dia niezaka natao aza ny ala nenina sy ny famonjena, dia tsy tana ny ainy. Nitohy ny fanarahan-dia nataon’ny mpitandro filaminana, ka dahalo telo no voasambotra. Nandritra ny fifanjevoana, fantatra fa dahalo iray no lavo, ary mbola mitohy ny fikarohana ireo mpaka takalonaina. Tsapa fa mahery vaika ny fakàna an-keriny ao amin’ny distrikan’Anjozorobe, ary miezaka mifehy izany ny Zandarimaria ao anatin’ny Vondron-tobim-paritra Imerina Centrale any an-toerana.
Nasondrotra galona…

Nanome voninahitra sy nanao veloma farany ny vatana mangatsiakan’ny Sergent Rakotoniaina Marolafy Josèphe ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Jly Rakotonirina Richard, ny folakandron’ny alahady 15 Mey, tao amin’ny Tobin’ny Bataillon d’Infanterie tao Analakely. Lavon’ny balan’ireo fahavalo teo am-pisamborana dahalo mpaka takalonaina ity manamboninahitra lefitra ity, ny alin’ny zoma 13 Mey, tao amin’ny tanànan’i Mangarivotra, fokontanin’Antanetibe, ao amin’ny kaominina Beronono, distrikan’Anjozorobe. Tifitra tamin’ny basimborona teo amin’ny handrina no nahavoa azy.Nentina avy hatrany tao amin’ny tobim-pahasalamana CSB2 tao Beronono izy, saingy tsy tana ny ainy rehefa hadiva haraina. Manamboninahitra ambony sy tomponandraikitra maro notarihan’ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Jly Rakotonirina Richard no tonga nanome voninahitra sy nanao veloma farany ara-pomba miaramila ny Sergent Rakotoniaina Marolafy Josèphe. Noho ny famoizany ny ainy teo am-pamitana iraka, dia nasondrotra teo amin’ny laharam-boninahitra Sergent-Chef Rakotoniaina Marolafy Josèphe. Natolotra azy koa ny Medaly Miaramila amin’ny laharana Volamena ary nasondrotra ho Officier amin’ny mariboninahi-pirenena. Ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena raha nanolotra ireo mari-boninahitra ireo dia nampahatsiahy fa nahavita adidy masina ho an’ny Tanindrazana ny Sergent-Chef Rakotoniaina Marolafy Josèphe. Nambarany fa manara-maso akaiky ny tsy fandriampahalemana ireo tomponandraikitra, izay tarihany. Tsapa fa miakatra ny tahan’ny tsy fandriampahalemana amin’ny faritra sasany eto Madagasikara, toy ny faritra Avaratra, Avaratra atsinanana sy andrefan’Anjozorobe. Maro koa ny mpitandro filaminana mamoy ny ainy momba ny ady atao amin’ny tsy fandriampahalemana sy ny fifandonana amin’ireo olon-dratsy. Tsy hikoso-maso mena manoloana ny asan-dahalo sy ny fakàna an-keriny ny Foloalindahy ka hosamborina sy homena ny sazy sahaza azy ireo olon-dratsy.




