Songadim-baovao
DISTRIKAN’ANTSOHIHY : Lavon’ny bala ilay lehibena tambajotran-jiolahy mahery vaika
Taorian'ny volana novambra 2021, izay fotoana nivoahany ny Fonjaben'Antsohihy, vokatry ny asan-dahalo i Flavien na i Lefilany, raindahiny amin'ny fandravana mitam-piadiana sy halatr'omby mahery vaika. Lavon’ny bala izy rehefa raikitra ny fifanjevoana, omaly vao maraimbe, raha tafoporitsaka kosa ny namany iray niaraka tamin’ny basilava iray….

Nahazo antso tamin’ny olona tsara sitrapo ny zandary tao amin’ny Tobim-paritra Anahidrano fa ilay jiolahy ela nifampitadiavana nandritra ny herintaona, dia efa miriaria. Fantatra fa taorian’ny volana novambra 2021, izay fotoana nivoahany ny Fonjaben’Antsohihy, vokatry ny asan-dahalo i Flavien na i Lefilany, raindahiny amin’ny fandravana mitam-piadiana sy halatr’omby mahery vaika, izay nampitaraina sy nampijaly ary nampihorohoro ny Kaominina Ankerika sy Anahidrano ary ny manodidina, izay samy anatin’ny Distrikan’Antsohihy. Niverina nihaodihaody tao amin’ny fokontany Anjobony, kaominina Ankerika izy, rehefa tsy nahazaka tanàna vokatry ny fanohizany ny asa ratsiny, taorian’ny nahavitany ny saziny. Tsy niandry ela ireo zandary misahana ny « Poste fixe » ao Ankerika fa rehefa nahazo toromarika, taorian’ny tatitra nataon’izy ireo tamin’ny Kapiteny Kaomandy ny Vondron-tobim-paritra Antsohihy, dia nidina avy hatrany tany amin’ny toerana voatondro fa nisy io dahalo voalaza io, mba hanao ny fisamborana. Mailo dia mailo anefa ity dahalo raindahiny ity ka ankoatra ny tsy fahazakany tanàna, dia efa tsy matory an-trano fa eo an-davarangana izy no matory. Tamin’ny fandalovan’ny zandary, amin’ny tanànany, vantany vao naheno ny amboa nivovo tsy ankijanona teo an-tanàna sy ny manodidina izy, dia niala ny toerana nisy azy, saingy nifanehatra tamin’ireo Zandary andeha hisambotra azy. Vao mainka nanao tari-dositra sy nitsofoka anelakela-trano ity farany, ka tsy hita intsony izay nisy azy taorian’ny fifanjevoana, ny andro rahateo alina ka nanano sarotra ny fikarohana azy.
Nohamafisina ny savahao…

Tsy nianona tamin’izay ny Zandary fa nanamafy ny savahao ny fikarohana loharanom-baovao mahakasika ity Dahalo ity. Ka fantatra, araka izany, fa nihazo ny Distrikan’i Analalava i Lefilany ka tany amin’ny Kaominina ambanivohitra Antonibe no naharenesana azy farany. Nidina an-tsehatra nanamafy ny fikarohana ity Dahalo ity ny Vondron-kery Sangany na « Groupe d’élites » eo anivon’ny fibaikoana ny Vondron-tobim-paritra Antsohihy izay tarihin’ny Kapiteny Tobiasy Kaomandy ny Vondron-tobim-paritra, izay nanao fitsidiham-paritra sy nanamafy momba ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana, ao anatin’i Distrikan’Analalava ka nihazo an’Antonibe, izay nahitana an’ity Lehiben’ny Tambazotran-Jiolahy ity izay mifandray tendro amin’Ingahy Jerisone sy ny Ekipany ao Betomendry, Kaominina Anahidrano Distrika Antsohihy. Napetraka ny paik’ady rehetra sy ny velam-pandrika izay tao anatin’ny fahaiza-manao tanteraka mba hahasamborana velona an’ity Dahalo ity mba hafantarana ireo namany.
Vokany, omaly alarobia 16 novambra tokony ho tamin’ny 2 ora maraina, dia tazan’ireto Zandary anatin’ny Vondron-kery Sangany ireto fa ao anatin’ny Alim-pandihizana, izay nafanain’ny Mpanakanto malaza i Lefilany ary misy namany niaraka taminy, izay mbola karohina. Rehefa nahatsikaritra ireto farany fa misy manaramaso dia niala io Bazar Antonibe, izay toerana nanaovana ny lanonana tao anatin’ny orambe ka nihazo ny arabe mivoaka ny tanàna mianatsimo.
Lavon’ny bala i Lefilany…

Raikitra ny fanenjehana ireto dahalo mitam-piadiana, ka tao anatin’ny ora-mikija no nifanjevoana tamin’izy ireo. Tokony ho tamin’ny 4 ora maraina, lavon’ny balan’ny Zandary i Lefilany raha toa ka tafatsoaka niaraka tamin’ny basy lava iray ny namany. Mbola mitohy ny fikarohana io namany io ary nohamafisina ny fanentanana ny mponina manodidina miaraka amin’ny Mpiray Dina, mba samy hanome loharanom-baovao. Tiana ny manamarika fa izy dia isany lohandohan’ny mpisorona ao anatin’ny tambazotran-jiolahy miaraka amin’i Barira, izay samy monina ao Anjobony sy ry Francklin ary ry Fredy zanak’i Jerisone. Tsara homarihina fa i Maximin atao hoe i Barira io, dia efa niara-namita sazy tamin’i Jerisone sy Rasamy tany Antanimora Antananarivo, tamin’ny taon-dasa, saingy efa nivoaka ny fonja sahady izy ny 11 oktobra 2022 lasa teo. Tiana ny manamarika fa vetivety dia mivoaka hatrany ireo dahalo mamita ny saziny, ka zary lasa mandry tsy lavo loha ny mponina. Tena mandray ny andraikiny araka ny tokony ho izy ve ny Fitsarana, amin’ny fijerena ny tena sazin’ireo dahalo raindahiny, midoboka ireny, ka vetivety dia mivoaka, ary miverina manao ny asa ratsiny eny amin’ny fiarahamonina indray.




