Songadim-baovao
Distrikan’i Befandriana Avaratra : Voasambotry ny zandary ireo dahalo telo nanao fanafihana

Ny alin’ny 20 janoary lasa teo, tokony tamin’ny 7 ora hariva, nitrangana fanafihan-dahalo notanterahina dimy lahy tao Ambobaka fokontany Ankobakobaka, kaominina ambanivohitra Morafeno, distrikan’i Befandriana Avaratra. Noho ny fiaraha-mientan’ny fokonolona sy ny zandary, tafaverina amin’ny tompony ny omby rehetra nalain’ny dahalo miisa folo, ny alin’io ihany, raha vaky nandositra ireo dahalo. Naratra vokatr’izany ny tompon’omby monina ao Ambobaka. Noho ny fahafantaran’ny tompon’omby ny iray tamin’ireo dahalo nanao fanafihana, dia voasambotra tao Ankobakobaka i Dede atao hoe Fohy hely, izay anisan’ireo dahalo nanao fanafihana. Izy io no nanambara ny namany efatra, izay tafatsoaka dia i Pipa avy ao Anjiabe Kaominina ambanivohitra Anjalazala. I Trelasy zanak’i Fidelis sy Fida monina Ankobakobaka ary i Rochel avy ao Ankobakobaka. Ho fisorohana ny hatezeram-bahoaka mikasa hanao ny fitsaram-bahoaka amin’ity farany, dia nalaina ary notazomina aty amin’ny tobim-paritra Befandriana Avaratra ity dahalo ity hanaovana famotorona.
Tsy nihanona tamin’ny vokatra efa azo ny Zandary ao amin’ny Tobim-paritra Befandriana Avaratra fa nanohy ny fikarohana ireo dahalo voalaza ireo ka voasambotry ny Fisafoana, izay notarihin’ny ZFK1 Ramanamitsiry Rolland, Kaomandy vonjimaika ny tobim-paritra Befandriana Avaratra tao amin’ny fokontany Anjiabe, kaominina ambanivohitra Anjalazala distrikan’ Antsohihy, Ramaroson atao hoe Iadan’ny Vaety, 32 taona, mipetraka ao Ankobakobaka. Izy ihany koa no nanoro ny toerana nisy an’i Pipa avy ao Anjiabe, kaominina ambanivohitra Anjalazala, distrikan’ Antsohihy, izay niara-nandositra taminy.

Izany rehetra izany no tontosa, noho ny fahombiazan’ny « Tagnamaron’ny Fandriampahalemana » satria misy ary matotra ny fiaraha-mientan’ny vahoaka sy ny zandary eo amin’ny fanomezana ny loharanom-baovao ara-potoana sy ny fifanohanana amin’ny lafiny rehetra. Singanina manokana amin’izany Prezaraly Parfait Jonah Solombavambahoaka voafidy tao Befandriana Avaratra nanome fiara tsy mahataho-dalana nahafaha-nisambotra ireo dahalo ireo haingana dia haingana. Porofo mitohoka amin’ny tenda fa misy ary mipetraka ny fifampitokisana sy ny fiaraha-miasa matotra eo amin’ny olom-boafidy, ny Fitsarana, ny vahoaka ary ny Zandary. Nankasitrahan’ny maro izao hetsika sy vokatra noho ny fahatraran’ireo olon-dratsy any an-toerana. Mitohy ny famotorana sy ny fikarohana ny dahalo roa, izay mbola tsy azo dia i Trelasy sy Rochel.



