PolitikaSongadim-baovao
DISTRIKAN’I BETAFO: Ben’ny tanàna 18 nosalorana samboady
Notontosaina omaly ny lanonam-panjakana nampisalorana samboady ny Ben’ny tanàna amin’ny kaominina 18 mandrafitra ny distrikan’i Betafo. Tany an-toerana nanatrika ity lanonana ity ny Loholon’i Madagasikara, Ramatoa Lalatiana Rakotondrazafy, sady nisolotena an’Atoa Filohan’ny Antenimierandoholona rahateo. Amin’ny maha-mpisolo tena sy mpiahy ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana ny Loholona dia nitondra ny tenin’ireo ben’ny tanàna amin’ny olana maro samihafa sedrain’izy ireo ny Loholona Lalatiana Rakotondrazafy nandrira ny kabariny, ka nampita izay tamin’ny mpanatanteraka izay nolosoin-dRtoa Minisitry ny Atitany tena.
Nanararaotra nanamafy ny fanohanana an’Atoa Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina ihany koa Ramatoa Loholona, ary nankahery azy amin’ny fiatrehana ny olana samihafa iainan’ny vahoaka ankehitriny. Mba mila ny Governemanta hanafaingana ny « vitesse » koa mba tsy ho ny Filoha foana no voatora-bato fa efa samy nomena andraikitra ny olona notendrena rehetra, hoy ny fanazavany.
Fitokanana « couloir de vaccination » ho an’ny omby
Manankarena omby ity disitrika ity, kanefa valam-baksin’omby iray ihany no mba nisy tao ary efa tsy azo ampiasaina intsony koa aza fa simba be. « Nangataka tamiko ny ben’ny tananan’i Betafo mba hijery an’io zava-nisy io, satria mpiompy omby anjatony, tsy ao Betafo ihany fa ho an’ny kaominina manodidina azy koa dia tena mila an’io valam-baksin’omby io avokoa. Novaliana ny fangatahany mba hitsinjovana ny mpiompy omby, ka dia nirosoana ny asa”, hoy ny fanazavan’ny Loholona Lalatiana Rakotondrazafy. Vita soamantsara izany ary notokanana omaly,
Notsindriany fa tsy hijerena lafiny politika rehefa ny tombontsoan’ny vahoaka no katsahina. Mbola namerina tamiko ny fitarainan’ny tantsaha mpiompy omby na ny ben’ny tanana na ny solombavambahoaka tamin’ny nikabary, satria tena mikaikaika izy ireo amin’ny vola be loatra aloa sy ny fahasarotan’ny fikarakarana taratasin’omby, ny tsy fahampian’ny dokotera veterinera, sy ny olana maro manodidina an’io seha-pihariana io. Miandrandra ny famahana olana amin’ny alalan’ilay tolo-dalàna mikasika ny fanisana, ny fanaovam-baksiny ary ny fanaraha-maso ny fahasalaman’ny omby ireo mpiompy, namerina nanazava tamin’izy ireo ny tanjon’ny tolo-dalàna aho ary nanamafy fa hitadiavana izay mba hamahana ireo olana ireo no tena antony namolavolana azy.
Ny 30 jona ho avy izao no holaniana eo amin’ny Antenimierandoholona izy io ary mbola handalo eny amin’ny Antenimierampirenena koa.
Ny Fanoratana.




