Trangam-piaraha-monina
DISTRIKAN’I MANDRITSARA : Tra-tehaka ireo roa lahy mpangalatra bizo amin’ny lalam-pirenena
Hiakatra fampanoavana anio, ireo efa-dahy mpangalatra bizo amin’ny lalam-pirenena faha-32 iny. Vokatry ny fiaraha-miasa amin’ny andrimasom-pokonolona no nahatraran’ny mpitandro filaminana azy ireo. Nogiazana kosa, ireo bizo sarona tany amin’ireo olon-dratsy…

Lasibatry ny jiolahy matetika amin’ny lalam-pirenena ao amin’ny RN-32 iny ny fangalarana bizo. Tamin’ny alin’ny asabotsy 10 hifoha alahady 11 oktobra, tokony ho misasakalina dia nisy mpangalatra bizo efa-dahy tamin’ny lalam-pirenena (RN 32 PK 145+200), tsikaritry ny mpanarato tamin’ny matsabory manamorona io lalana io. Vokatry ny fanentanana izay efa natao tamin’ireo mponina manamorona ny lalam-pirenena, avy hatrany dia nanaitra ny andrimasom-pokonolona tao Antanankely, fokontany Andampihely, kaominina ambanivohitra Kalandy, distrikan’i Mandritsara ireo mpanarato. Raha vao nahatazana ireo fokonolona ireto olon-dratsy, vaky nandositra avy hatrany. Tavela teo kosa, ny bizo miisa dimy niaraka tamin’ny sarety saika hitondrana azy. Nomena baiko, avy hatrany, ny Zandary miasa ao amin’ny Zana-tobim-paritra Besanaka, notarihin’ny Zka Rabemionona Anselme, mba hidina any an-toerana. Vokatry ny ezaka sy ny fiaraha-mientana niaraka tamin’ny fokonolona, tratra ny roa tamin’ireo olon-dratsy efatra nandositra. Isan’izany i Armand, 54 taona, mpamboly, monina ao Ambinany, fokontany Anjobany, kaominina Kalandy, distrika Mandritsara. Teo koa R.Précieux, 52 taona, monina ao Ambodivoarahely, kaominina ao kalandy ihany.
Nentanina hanamafy ny fiambenana

Niaiky ny heloka vitany izy ireo, ary nanambara ireto namany roa, izay mbola karohina fatratra hatramin’izao. Isan’ireny Rabemananjara Jean sy Fredon, izay samy monina ao Ambinany. Natao andrimaso tao amin’ny Vondron-tobim-paritra Mandritsara ireo olon-dratsy miisa roa ireo. Nogiazana ireo bizo miisa dimy nangalarin’izy ireo miandry ny toromarika avy amin’ny tomponandraikitra mahefa. Nentanina hatrany ny fokonolona, mba hanamafy ny andrimaso sy ny fiambenana, indrindra ny amin’ny alina. Nentanina koa ireo tomponandraikitra sy ny mpitondra tamin’io tanàna nitrangana halatra io, mba hanarina vonjimaika ny lalana nialan’ireo bizo ireo, tsy hampisy fiantraikany amin’ny fifamoivoizana. Efa mandeha ny fanadihadiana azy ireo, ary anio alatsinainy no hiakatra fampanoavana ity raharaha ity. Tiana ny manamarika fa sazin’ny lalàna mafy ny olona manimba ny fananam-bahoaka, indrindra raha nangalarina tahaka izao. Fahavalom-pirenena mihitsy no hanasokajiana ireo mpanimba ny fananam-bahoaka, indrindra amin’ny lalam-pirenena, izay lalandran’ny toekarena.




