Trangam-piaraha-monina
DISTRIKAN’I MAROANTSETRA : Fiara 4×4 sarona nitondra lavanila manta 900 kg
Fiara 4x4 iray no saron’ny mpitandro filaminana, tao amin’ny fokontany Tanantsara, Kaominina ambanivohitra Anandrivola, distrikan’i Maroantsetra, nitondra lavanila manta milanja 900 kg, afakomaly alina. Rehefa natao ny fanadihadiana, tsy nahitana taratasy na iray aza, ny momba ilay lavanila manta. Notazomina ireo roa lahy nitondra, raha nogiazana kosa, ny entana…

Fiara 4×4 Toyota iray mampiahiahy voasakan’ny Zandary tao amin’ny fokontany Tanantsara, Kaominina ambanivohitra Anandrivola, distrikan’i Maroantsetra, ny afakomaly alina, tokony ho tamin’ny 8 ora. Rehefa natao ny fisavana dia nahitana lavanila manta milanja 900kg. Nirosoana indray ny fisavana ny taratasy tany amin’ireo olona nitondra, saingy tsy nahitana taratasy na iray aza momba ilay lavanila niaraka tamin’ireo olona nitondra izany. Nandray fepetra avy hatrany ny Zandary niasa tao an-toerana ka nogiazana ny fiara sy notanana ny lavanila. Nisokatra avy hatrany ny fanadihadiana ary nisy ny fandraketana an-tsoratra ny zava-nitranga rehetra, omaly 24 aogositra. Raha ny angom-baovao, ho atolotra ny Fitsarana ambaratonga voalohany ao Maroantsetra ny raharaha rehefa vita avokoa ny famotorana rehetra. Nampirisihina sy nomena baiko ny lehiben’ny Zana-tobim-paritry Rantabe, mba hanohy ny ady amin’ny tsy fanaran-dalàna amin’io fihariana lavanila io, ka tsy hataon’ireo mpisehatra azy io ho fandalovana fotsiny ireo sakana atao eny amin’ny lalam-pirenena.

Efa misy tambajotra matanjaka mihitsy ireo olona mitondra lavanila manta mivoaka an-tsokosoko any amin’ny Faritra Atsinanana iny. Marobe ireo tantsaha no lasibatry ny halatra lavanila manta, izay mbola eny am-potony. Isan’ny nampirongatra ny tsy fandriampahalemana any amin’iny faritra iny, ny fiotazana manta ireo lavanila mbola eny am-potony. Izay no antony nahatonga ireny fitsaram-bahoaka niseholany, tany amin’ny taona 2018, tany amin’iny Faritra iny. Ny Kaomandin’ny vondron-tobim-paritra Analanjirofo dia nankasitraka ireo zandary eny ifotony, izay nahazoam-bokatra tsara toa izao. Tanjona ny hamongotra tanteraka ireo mpanao trafikana lavanila manta any amin’iny Faritra iny.




