Songadim-baovao
DISTRIKAN’I MAROANTSETRA : Lehilahy iray voarohirohy nanolana zaza 4 taona
Lehilahy iray voarohirohy ho nanolan-jaza efa-taona, ny zoma lasa teo, tao amin’ny Kaominina Anandrivola, distrikan’i Maroantsetra. Vokatry ny fitarainan’ilay zazakely tamin’ny reniny, ny alina io fotoana io, ka rehefa nofotorina, dia sarona ny lehilahy iray, rehefa nentin’ny polisy kaominaly roa lahy izy.

Nisesisesy ny fanolanan-jaza tsy ampy taona nanomboka ny volana novambra no ho mankaty. Zazakely iray vao efa-taona monja no voalaza fa niharan’ny fanolanana. Antony herisetra mianjady amin’ny zaza tsy ampy taona. Raha ny fitantaran’ilay Ramatoa, renin’ilay zazavavikely, dia tsy hita tao an-tranon’izy ireo, ny zanany io, nandritra ny ora maromaro ny zoma 13 novambra. Tafaverina ihany moa io zaza io ny andron’io, izay tsy fantatra ny toerana nandehanany. Ny alin’ny zoma teo anefa, dia nitaraina io zanany io fa narary ny fivaviany.Nentin’ny reniny avy hatrany tany amin’ny Hopitaly Anandrivola ilay zaza. Taorian’ny fizahana, izay nataon’ny mpitsabo dia tsy ny maha lehilahy no nampidirin’ilay mpanolana tamin’ny fivavian’ilay zaza fa mety ho rantsan-tanana. Nahazo fitsaboana sahaza azy ilay zazavavikely, ary nalefa nody tany an-tranon’izy ireo.
Ny asabotsy lasa teo, tokony ho tamin’ny 4 ora tolakandro, tonga tao amin’ny zana-tobim-paritra Rantabe, ny Ben’ny tanàna sy ny polisy kaominaly roa lahy nanatitra ilay mpanolana, izay voalaza fa nanolan-jaza 4 taona, tao Ankitsimivanditra, fokontany sy Kaominina Anandrivola, distrikan’i Maroantsetra. Miahiahy tanteraka an’i R. Ferdinand, araka izany, ilay renin’ilay zaza, tamin’izao fanolanana nahazo an-janany izao. Nisy ny fepetra noraisina tamin’ilay lehilahy ho voarohirohy nanolana satria natao andrimaso avy hatrany izy. Misokatra ny fanadihadiana azy, ary efa nanaovana tatitra ny lehibe isan’ambaratonga. Tafiditra ao, ny Rtoa Tonia mpampanoa lalàna ao amin’ny Fitsarana ambaratonga voalohany ao Maroantsetra. Nomena baiko hentitra ny tobim-paritra Rantabe hanao tsara ny fanadihadiana amin’ity raharaha ity, izay nahoraka nandritra ny herinandro maromaro izay.



